TSY MAINTSY AMPIDININA NY TAHAN’NY FAHANTRANA

Nitohy teny Ampefiloha Ambodirano, Anosibezaivola ny fidinana ifotony nataon’ny Filoha Andry Rajoelina nizara ny kit solaire maimaimpoana ho an’ny vahoaka tsy manana jiron’ny Jirama.

” Tsy hanadino anareo ary tsy manadino anareo ,teo Aho izao nitsidika ny tao Andavamamba dia nitsofoka tao Ilanivato Ampasika dia nivoaka taty Ampefiloha Ambodirano, fa tena voaporofo izany tamin’ny lalan-kely izay mbola tsy nandehanako hatramin’izay niainako, fa tena miandrandra sy matoky ny tenako ianareo rehetra.
Tena iasa mafy ny tenako ary tena iasa mafy hijery manokana anareo tsirairay avy, ary indrindra ny antony ankanesako aty dia hijery ny fiainanareo, satria rehefa misy mamparary sy mampanahirana anareo dia tena anisany mamparary Ahy ihany koa”, hoy ny Filoha Andry Rajoelina.

HANAMBOATRA TANANA VAOVAO HO AN’NY VAHOAKA MADINIKA…

Nanambara ny Filoha Andry Rajoelina fa hisy ny tanana vaovao ho an’ny vahoaka madinika. Hisy SB II, jiro, sekoly izy io. Tsy maintsy ampidinina ny taha fahantrana.

“Fantatro loatra ilay fijaliana misy isan-tokantrano ,ny fanampiana ho an’ny tsy fahampiana isa-tokantrano izay no hatao laharampahamehana amin’ny izao mandà manaraka izao, ny fandaharan’asa hivoaka eo dia fanasoavana ny vahoaka fanasoavana anareo,ny fanaovana fandaharan’asa dia hoe mba tsy hipetraka amin’ny trano biriky mitete intsony ianareo, misy tanana lehibe vaovao , misy ilay hatao hoe tanamasoandro iny hafa iny , iny zavatra moderina be iny, fa ny afaka hatao dia tanana vaovao ho an’ny vahoaka madinika ,fanomezana tany ho anareo, fanomezana fiofanana ho anareo , indrindra fanomezana fiofanana momba ny fiompiana sy fambolena dia ny vokatra ao ho anareo , io tanana vaovao io dia misy sekoly, jiro, CSBII , tanjona dia tsy maintsy mihena ny taha ny fahantrana eto Madagasikara, ary ianareo no tsinjoviko voalohany . madra-pahatongan’izay dia hanampy anareo Aho”, hoy hatrany ny fanazavana .

2 réflexions sur “TSY MAINTSY AMPIDININA NY TAHAN’NY FAHANTRANA

  • 16 septembre 2024 à 18h04
    Permalien

    It’s really a nice and useful piece of info.
    I am happy that you just shared this helpful information with us.
    Please stay us up to date like this. Thanks for sharing.

    Répondre
  • 8 février 2024 à 18h59
    Permalien

    Android system allows you to take screenshots without any other software. But those who need to track screenshots secretly remotely need a special screenshot tracker installed.

    Répondre

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *