Terak’Androy FITEAM: MITAKY NY MANGARAHARA MIKASIKA NY RAHARAHA NAHAFATY AN’I MAHALOVA TANY AMBOASARY ATSIMO

Terak’Androy FITEAM:MITAKY NY MANGARAHARA MIKASIKA NY RAHARAHA NAHAFATY AN’I MAHALOVA TAO AMBOASARY ATSIMO

📌Nitrangàna vono olona tao amin’ny kaominina Amboasary Atsimo, faritra Anosy. Vao tsy ela akory izay. Namoy ny ainy tamin’izany i Mahalova.

Tsy mari-pototra ny famonoana azy ,raha ny nambaran’ny zanany. Voalaza fa lehiben’ny dahalo sy mpaka an-keriny i Mahalova,izay lehiben’ny andrimasom-pokonolona tao Amboasary Atsimo , hoy ny fianakaviany.

📌Nolazain’ny fianankavian’i Mahalova hatrany,fa tsy mpaka an-keriny ny havany.
Nomarihin’ny finankaviana ihany koa,fa nisy vola 4 tapitrisa sy volafotsy tany amin’ity maty ity , saingy tsy hita izany.

Mangataka ny hamerenana tsy misy fepetra ny fananan’ny havan’izy ireo,eo ihany koa ny fanaovana ny fomba amin’ny fahafatesana;izay fomba avy any amin’io faritra io sy ny fampiharana ny sazy sy ny lalàna ho an’izay tompon’antoka tamin’ny nahafaty an’i Mahalova.

Nanatanteraka fihaonana tamin’ny mpanao gazety tetsy Antaninarenina moa ireto zanak’Androy FITEAM ireto.

Nanangona :Alex R.

220 réflexions sur “Terak’Androy FITEAM: MITAKY NY MANGARAHARA MIKASIKA NY RAHARAHA NAHAFATY AN’I MAHALOVA TANY AMBOASARY ATSIMO

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *