Tahiana Razanamahefa: ” ZAVA-DEHIBE NY FAHAVITAN-TENA ARA-TSAKAFO..”

Isan’ny tanjon’ny Vondrona STOI ny manome tantsoraka ny mpiara-miombon’antoka aminy indrindra ny Fitondram-panjakana ( amin’ny alalan’ilay Partenariat 3P ) – mba hahatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo na ny auto -suffisance alimentaire , hoy Tahiana RAZANAMAHEFA – avy amin’ny STOI – nandritra ny fanolorana Vary sy Zezika biolojika tetsy amin’ny Ministeran’ny Fambolena sy Fiompiana Anosy.

Vary milanja 5 taona sy zezika 5 taonina no natolotry ny Vondrona STOI tamin’izany. Anampiana ireo faritra tratry ny rivodoza #cheneso – any amin’ny tapany avaratry ny Nosy izy io.

Vary vokatry ny tany eto amintsika ireo. Ireo ilay hoe Vary Safiotra na Riz Hybride izay vokarina sy aparitaky ny vondrona STOI eto amintsika.

Tena mety be amin’ny toetany eto Madagasikara satria dia avo folo heny amin’ny vokatra mahazatra ny vokatra azo avy amin’ny Vary Safiotra. Ny STOI moa no manapariaka azy io miaraka amin’ny zezika biolojika ho fampiroboroboana ny famokarana.

Nandray ireto fanomezana ireto ny Minisitry ny Fambolena sy Fiompiana. Nisaotra ny Stoi ny Minisitra ary nanambara fa tena ilaina ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina toa izao ho fampiroboroboana ny sehatry ny Fambolena eto amintsika.

Nanatrika ity fotoana ity koa moa ny talen’ny orinasa Sinoa Yuan Madagascar – izay loharano nipoiran’ny teknolojian’ny Vary Safiotra.

#stoi

#vary_safiotra

#riz_hybride

#yuan_madagascar

#ministere_agriculture_elevage

#ledefi_madagascar

Araho hatrany ny vaovao samihafa ao amin’ny https://ledefi.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *