Star Times Madagascar

STARTIMES MADAGASIKARA NAMPAFANTATRA NY KIT SOLAIRE S35

Nampafantatra ireo vokatra misy ao aminy , teny amin’ny foibeny teny Ankorodrano ny 27 Aprily 2023 ny orinasa StarTime Madagasikara , izay tsy mitsahatra mikaroka ny fomba hanatsarana ny kalitao entana ao aminy.

Anisany vokatra vaovao izay naseho ho fialana ny mety fahatapaha-jiro , dia namoaka ny jiro mandeha amin’ny masoandro ity orinasa ity dia ny kit solaire S35. Ahitana jiro 3 tsy mety vaky izay afaka ampisaina avy hatrany ary maharitra adin’ny sivy , misy amin’io kit io ihany ny fomba famahanana ny finday raha sedra lany. Araka fanazavana nomen’i Ramatoa RANAIVOJAONA Felaniaina Robona dia azo antoka ity fitaovana vaovao ity , izay efa vita sedra avy amin’ny orinasa Verasol.

Natao ho takatrin’ny be sy maro ny vidina izay hatrany amin’ny 179 000 ARIARY raha toa ka 199 000 Ariary izany teo aloha.Azo hatao iha koa ny mandoha tsikelikely izany mandritra ny telo volana .
Tanjona dia famporisiana ny isa-tokantrano hanjifa ny fitaovana izay mandeha amin’ny herin’ny masoandro izay hita fa tsy mandany be no mora ampiasaina .

Andry Rakotonirainy

416 réflexions sur “Star Times Madagascar

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *