SENDIKA CNAPS

Sendika Cnaps: MITAKY NY MANGARAHARA

📌 Nanatanteraka valan-dresaka niaraka tamin’ny mpanao gazety,ny 28 jona lasa teo ny sendikan’ny mpiasa teo anivon’ny CNAPS,niaraka tamin’ireo randrana sendikaly rehetra miaro ny mpiasa eto Madagasikara na ny SSM ;manoloana ny olana lehibe mianjady amin’ity orinasa malagasy ity.Olana lehibe ho an’ny mpiasa rehetra tokoa,noho ny tsy fisian’ny tale jeneraly mpitantana ity orinasa malagasy ity.Raha tsiahivina moa,dia voatazona am-ponja vonjimaika ny tale jeneraly mpisolo toerana ny CNAPS,noho ny antony fampidirana mpiasa teo anivon’ny orinasa.

Mitaky ny mangarahara sy ara-dalana eo anivon’ny fitsarana mpanao lalàna izany ireto mpiasa ireto.Ary mangataka ny hanohizana ny fanadihadiana lalina mahakasika io raharaha fampidirana am-ponja ny tale jeneraly mpisolo toerana io.

📌Ny randrana sendikaly kosa, amin’ny maha mpiaro ny zon’ny mpiasa azy ireo ,eo koa ny maha mpikambana ara-dalana ny sendikan’ny mpiasa eo anivon’ny CNAPS,dia nandray ny andraikitra nanandrify azy izy ireo.Nanoloana ny antsojay nianjady ny mpiasan’ny CNAPS,izay orinasa malagasy mbola mihodina ara-dalana amin’izao fotoana izao,dia mitaky tsy misy fepetra ny fitsarana avo hijery akaiky ity raharaha ity,izay mikitika fiainan’olona maro ,amin’ny maha orinasa mpitam-bolan’ny mpiasa azy izay.Miantso ny fitsarana hijoro ny randrana sendikaly,ary nanameloka tanteraka ny antsojay natao an’ireo mpiasa tao amin’ny orinasa.

📌 Raha tsiahivina moa,dia efa in-telo nisolo ny talen’ity orinasa malagasy ity,noho ny raharaham-pitsarana maha voasaringotra azy ireo.

Alex R./Olivia R.

7 réflexions sur “SENDIKA CNAPS

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *