Senat : Fihaonan’ny Mpikambana

Antenimierandoholona:
Fihaonany mpikambana Governemanta sy ny mpikambana Antenimierandoholona.

Tanteraka androany faha 20 jona 2023 ny fihaonan’ireo mpikambana ao amin’ny governemanta ireo Loholon’i Magasikara.
Nohatritraterina tao anatin’izay ny fitsipika mahakasika ny Antenimierandoholona sy ny lalam-panorenana mikasika ny governemanta.
Izay milaza toy izao:
Andininy faha 102 amin’ny lalam-panorenana dia misy fivoriana iray (1) isaky ny 15 andro farafahakeliny izay antokana amin’ny fametraham-panontaniana amin’ny loholona sy ny valiny avy amin’ny Governemanta.
Eo ihany koa ny andininy faha 143 mifehy ny Antenimierandoholona dia manambara fa antsoin’ny filoha mitarika fivoriana fanantaterahana ny fanontaniana maro ka ny Minisitra voakasika izany no hamaly ireo fanontaniana, ary afaka miteny indray mandeha ihany ny tompon’ny fanontaniana aorian’ny valim-panontaniana ary tsy misy fanontaniana hafa azo raisina aorin’izay. Tsy tokony ahitana fifidianana ao anatin’izany ny Governemanta.
Marihina moa fa efa nahavoaray tatitra asa ny governemanta ny loholona ka manamorona ny fandraisana fanontaniana mialoha.

✏Elisa Razafy

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *