SEMIPI : MANKALAZA NY FAHA- 100 TAONA

Ny Alatsinainy faha 22 May 2023 no nakalazaina ny faha 100, taonan’ny SEKOLY MIARAMILAM-PIRENENAna ny SEMIPI.

Nisy ny lanonana fametrahana ny vato rafitra na ny Borne ho famantarana izany nitondra ny laharana voalohany  tetsy amin’ny Toby Jeneraly RAMAROLAHY etsy Betongolo.

Ny 25 volana May 2023 izao kosa no hanatanterahana izany fankalazana izany any Fianarantsoa.

Ny 25 may 1923 ny nanorenana voalohany ny Sekoly Miaramilam-pirenena SEMIPI tetsy amin’ny  Toby Miaramila Betongolo izay toby nolovain’ny zandarimaria  ankehitriny.

Ecole Règlementaire d’enfants de troupes indigène no anarana noentina tamin’izany.

Lava ny lalana nolalovan’ny SEMIPI TAO ANATIN4IZAY 100 Taona nijoroany izay.

Ny taona 1940 ohatra no voatendry ho komandy malagasy voalohany ny Jeneraly RAMANANTSOA Gabriel.

Efa maro ireo olomanga teto amin’ny  Firenena nivoaka avy tao amin’ny SEMIPI.

Nomarihan’ny Minisitry ny fiarovam-pirenena teny antoerana fa tsy natao hireharehan akory ny maha-miaramila nivoaka tamin’ity Sekolim-pirenena ityfa kosa hoentina hanasoavana ny Tanindrazana.

Nanamafy ihany koa ny sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenenafa reharehan’ny miaramila izany SEMIPI izany.

Taorian’ity lanonana  fametrahana ny Borne famantarana faha-100 Taonan’ny SEMIPI tetsy amin’ny Toby Jeneraly RAMAROLAHY etsy Betongolo  dia nisy ny diabe niaraka tamin’ny fanevam-pirahalahiana niainga teo Betongolo nihazo an’Andafiavaratra izay toerana hametrahana ny borne laharana faharoa,nihazo an’Anosy,Ankadimbahoaka ,By Pass,ary nihazo ny RN7 Iavoloha  ny CARAVANES hihazo an’nyFianarantsoa.

Eny amin’ny toby Jeneraly lucien RAKOTONIRAINY any BERAVINA FIANARANTSOA antsoin’ny Miaramila hoe TOERAN’ ILAY PARADISA FAHAROA  dia ny SEMIPI ankehitriny izany no hanaovana ny ivon’ny fankalazana ny 25 MAI 2023 hoavy izao.

3 réflexions sur “SEMIPI : MANKALAZA NY FAHA- 100 TAONA

  • 16 septembre 2024 à 18h31
    Permalien

    For the reason that the admin of this website is working, no question very quickly it will be well-known, due to its
    quality contents.

    Répondre
  • 15 septembre 2024 à 16h14
    Permalien

    I?¦ve learn a few good stuff here. Certainly value bookmarking for revisiting. I wonder how so much effort you set to create this type of fantastic informative web site.

    Répondre
  • 25 mai 2023 à 5h16
    Permalien

    mirary soa ny SEMIPI ….efa tao ny tena fa tsy nahatojo hatram farany

    Répondre

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *