Seces : FITAKIANA

Seces : FITAKIANA NY FANDOAVANA NY KARAMAN’NY “VACATAIRE “

Araky ny voalazan’ny SECES sampana Antananarivo dia mangataka izy ireo mba andoavana ny fanampin-karama na ora fanampiny hoa an’ireo vacataire ho an’ny taona 2018 sy ny 2019 tapany faharoa, hita taratra tao anatin’izany fa nilaza izy ireo fa 25% ihany no zakan’ny kitapom-bolam-panjakana.

Ankehitriny dia lasa nahitana olana izany resaka izany satria nanalana 10% be izao ho an’ny seces Antananarivo raha toa ka feno100% no azony vacation ny Toliara, ka izay antony mahatonga an’ny SECES sampan’ Antananarivo mangataka ny” traitement égalitaire” ho an’ny vacation Antananarivo, samy olom-pirenena mitovy izy ireo ka tsy tokony hisy havahana, ary tsy tokony hisy hanalana na dia 1% aza ny ora fanampiny.

Manaraky izany nanampa-kevitra ny SECES Antananarivo fa miato ny fampiarana eto amin’ny Oniverisite Antananarivo manomboka ny Alatsinainy izao raha toa ka tsy azo ny ” vacation” mandrapahatonga ny zoma ho avy izao.

✏Elisa Razafy

370 réflexions sur “Seces : FITAKIANA

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *