Seces Antananarivo

Seces Sampana Antananarivo: HANANGANA “CELLULE DE CRISE”

Nisy ny fivoriana izay nataon’ny Seces sampana Antananarivo androany, nambaran’izy ireo fa manaiky izay tapaka rehetra tamin’ny fehan-kevitra izay nataon’ny “conseil national” farany teo ny Seces sampana Antananarivo.

Nambaran’ny Seces tao ihany koa fa miandry ny vokatry ireo fitakiana izay nataony izy ireo hatramin’ny faha 30 Jona ho avy izao ka ao anatin’izany ny fandoavana ny “vacation, indemnité de recherche et investigation” ho an’ny taona 2018-2019, 2019-2020 ary ny 2021-2022. Mitaky ihany koa ny Seces ny amin’ny famoahana tsy misy fepetra ny amin’ny fitakiana nataon’ny sendikalin’ny mpiasa ao amin’ny Ministera ny Fampianarana Ambony sy Fikarohana Ara-tsiansa.

Nilaza ihany koa ny Seces sampana Antananarivo fa miaina anatin’ny kirizy lalina ny firenena ankehitriny, betsaka ny tsy fanjariana ka hanangana ” cellule de crise” izy ireo hamoahana ny tsoan-kevitra momban’izany.

Olivia R. / RHA

143 réflexions sur “Seces Antananarivo

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *