Rn2 : TOVOLAHY 16 TAONA MATY TSY TRA-DRANO, POTSITRA TAO ANELANELAN’NY KAMIAO SY TAKSIBOROSY

Tranga nampalahelo, nahafatesana tovolahy iray no niseho teny amin’ny lalam-pirenena faharoa. Maty tsy tra-drano potsitra tao anelanelan’ny kamiao sy taksiborosy ity tovolahy, izay vao 16 taona monja ity.

Tao Ambodipolomosy, Vohitranivona anatin’ny distrikan’ny Brickaville no nitrangan’ny loza ny andron’ny sabotsy 6 jolay teo.
Fantatra fa “aide chauffeur” an’ilay kamiao ihany izy io. Araka ny vaovao voaray dia tojo olana ara-mekanika ity fiara vaventy ity, ka tsy maintsy nijanona.

Teo indrindra no nandalo ilay taksiborosy izay an-dalana hiazo an’i Toamasina, nisongona io kamiao io. Noho ny tsy fitandreman’ny mpamilin’ity fiara fitateram-bahoaka ity anefa araka ny fampitam-baovao hatrany dia tery no sady potsitra tao anelanelan’ireo fiara 2 ilay tovolahy, izay teo am-panamboarana ilay kamiao.

Mafy dia mafy ny dona nahazo azy io, ka nitarika ny fahafatesany teo noho eo.
Fotoana fohy dia tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana nanao ny fizahana sy ny fitsirihana.

Natao farak’izay malaky izany, mba hisokafan’ny lalana ao anatin’ny fotoana haingana.

Momba ny mpamilin’ilay taksiborosy, dia fantatra fa efa notanana vonjy maika ny tenany ary efa miatrika ny fanadihadiana sy ny famotorana.

Ny lalam-pirenena faharoa dia betsaka kamiao mivezivezy. Maro amin’izy ireny no tojo olana ara-mekanika eny am-pandehanana eny.
Noho izany indrindra no tokony hitandreman’ny mpamily rehetra, satria dia sady tery ny lalana no misy ampahany ratsy dia ratsy.

Tantely ANDRIANOMENJANAHARY

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *