Raharaha La Gazette de la Grande Ile: NISY NY FANAMBARANA NATAON’NY OJM

Toa izao ny fanambarana navoakan’ny OJM manoloana ny fanagiazana ny fitaovan’ny LA GAZZETTE DE LA GRANDE ILE alina ( 30 Marsa 2023).

“Manoloana ny nanatanterahan’ny orinasa JIRAMA didim-pitsarana nanagiazana ny fananan’ny La Gazette de la Grande Ile, ny 30 martsa 2023, nohon’ny trosa.tsy voaloa, dia manao izao Fanambarana izao ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara (OJM).

1* Manaja hatrany ny fahalalahan’ny fahefam-pitsarana.
2* Mankahery sy miombom-po amin’ireo mpanao gazety ao amin’ny La Gazette de la Grande Ile misedra fahaverezan’asa aterak’izao tranga izao.
3* Saro-piaro amin’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety ny OJM. Hanohy ny fanadihadiana efa natomboka, manaraka ny fomba fiasa “MAMAFA”: MAnamarina, MAnadihady, Fandraisana Andraikitra.

Hatramin’izao aloha dia fandikan-dalàna tsy misy ifandraisany amin’ny asa fanaovan-gazety no vesatra anenjehana ny tomponandraikitra ao amin’ity orinasan-gazety ity sy ny orinasa.
4* Misarika ny sain’ny rehetra misehatra eo amin’ny asa fanaovan-gazety rehetra ihany koa mba handinika fa ohatra iray velona izao tranga izao, fa miantraika amin’ny mpanao gazety ny tsy fisian’ny fehezan-dalàna eto amintsika mamaritra ny fetra mazava, mampisaraka ny tombontsoa ara-politika sy ny tombontsoa ara-toekarena, amin’ny zotran’ny fanoratana na “ligne éditoriale”, eo amin’ny fananganana orinasan-gazety. Tranga efa mpiseho fa tsy vao izao akory, indrindra rehefa mandia fotoan-tsarotra ny raharaham-pirenena ka ny mpanao gazety hatrany no iharan’ny voka-dratsiny.
5* Mampahatsiahy hatrany ny amin’ny maha-asa mendrika sy masina ny asa fanaovan-gazety, noho izy mampisitraka ny olompirenena ny zony hahazo vaovao malalaka sy marolafy ary mangarahara. Koa, manentana antsika mpanao gazety, hanatanteraka ny asa ao anatin’ny fanajana ny “éthique” sy ny “déontologie”, indrindra amin’izao taom-pifidianana izao, mba ho tratrantsika ny vina : “Mpanao gazety matianina, miray hina ho amin’ny fampandrosoana”.”

#la_gazetteDeLaGrandeIle
#ojm

Araho ny vaovao hafa ao amin’ny https://ledefi.mg/

14 réflexions sur “Raharaha La Gazette de la Grande Ile: NISY NY FANAMBARANA NATAON’NY OJM

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *