Nomination: 27 MINISTRES COMPOSENT LE NOUVEAU GOUVERNEMENT

Le nouveau membre du gouvernement Ntsay Christian ont été présenté ce 14 janvier 2024 au Palais d’État Iavoloha. Au total, 27 ministres composent ce nouveau gouvernement dont 13 membres de l’ancien gouvernement ont été reconduite. Et neuf autres postes resteront à attribuer dans les prochains jours : il s’agit du :

1. Secrétaire d’Etat auprès de la Présidence en charge de la Lutte contre la pauvreté et de la réinsertion sociale

2. Secrétaire d’Etat auprès de la Présidence en charge de l’Electrification rurale et des ménages

3. Secrétaire d’Etat auprès de la Présidence en charge de la Souveraineté alimentaire

4. Secrétaire d’Etat auprès de la Présidence en charge de l’Economie et du plan

5. Secrétaire d’Etat auprès de la Présidence en charge de la Coopération économique

6. Secrétaire d’Etat auprès de la Présidence en charge de la Jeunesse et de la lutte contre les stupéfiants

7. Secrétaire d’Etat auprès de la Présidence en charge de la Digitalisation du service public

8. Secrétaire d’Etat auprès de la Présidence en charge du Commerce et de la consommation

9. Secrétaire d’Etat auprès de la Présidence en charge de l’Artisanat et des métiers

Dans de son allocution, le Président Andry Rajoelina a exigé des résultats rapides et palpable à l’équipe dirigée par Christian Ntsay. « Vous êtes principalement le responsable de la réalisation de la vision que nous avons définie ensemble pour que les citoyens puissent sentir le vent du changement sur chaque foyer. La responsabilité qui vous incombe est souveraine. Je réitère que les Malgaches toute entière attendent avec impatience un développement rapide et un impact palpable de votre part », a-t-il assuré. Lors de la cérémonie officielle de nomination, les ministres ont prêté serment devant le Président de la République. Par ailleurs, Ils se sont engagés à ne pas mouiller dans aucun acte de corruption et ont consenti à être poursuivis en justice le cas échéant.

 Ci-après la composition du nouveau Gouvernement  :

1 . Ministre de la Défense nationale : Général de Division Sahivelo Lala Monja Delphin

2 . Ministre des Affaires étrangères : Rafaravavitafika Rasata

3 . Garde des Sceaux, Ministre de la Justice : Landy Mbolatiana Randriamanantenasoa

4 . Ministre de la Décentralisation et de l’aménagement du territoire: Naina Andriantsitohaina

5 . Ministre de l’Economie et des finances : Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison

6 . Ministre de l’Intérieur : Justin Tokely

7 . Ministre de le Sécurité Publique : Contrôleur général de Police Herilala Rakotoarimanana

8 . Ministre de l’Industrialisation et du commerce : Edgar Razafindravahy

9 . Ministre de l’Agriculture et de l’élevage :Suzelin Ratohiarijaona Rakotoarisolo

10 . Ministre de l’Enseignement supérieur et de la recherche scientifique : Andriamanantena Razafiharison

11 . Ministre de l’Education nationale : Marie Michelle Sahondrarimalala

12 . Ministre de l’Enseignement technique et de la formation professionnelle : Lalatiana Rakotondrazafy

13 . Ministre de la Santé publique : Professeur Zely Arivelo Randriamanantany

14 . Ministre de la Population et de la solidarité : Haingo Elisette Fomendraza

15 . Ministre du Tourisme et de l’Artisanat : Joel Randriamandranto

16 . Ministre du Développement numérique, de la Transformation digitale, des postes et des Télécommunications : Tahina Razafindramalo

17 . Ministre de l’Energie et des hydrocarbures : Jean Baptiste Olivier

18 . Ministre des Travaux publics : Colonel Ndriamihaja Livah Andrianatrehina

19 . Ministre du Transport et de la météorologie : Valery Ramonjavelo

20 . Ministre du Travail, de l’Emploi, de la Fonction publique : Hanitra Fitiavana Razakaboana

21 . Ministre de l’Eau, de l’assainissement et de l’hygiène : Fidiniavo Ravokatra

22 . Ministre la Pêche et de l’économie bleue : Paubert Mahatante

23 . Ministre des Mines et des ressources stratégiques : Olivier Herindrainy Rakotomalala

24 . Ministre de la Communication et de la culture : Augustin Andriamananoro

25 . Ministre de la Jeunesse et des Sports : André Haja Resampa

26 . Ministre de l’Environnement et du développement durable : Max Andonirina Fontaine

27 . Ministre délégué en charge de la Gendarmerie : Général de Division Andriatsarafara Andriamitovy Rakotondrazaka

NY LAHATENIN ‘NY FILOHAM-PIRENENA ANDROANY 14 JANOARY 2024

Araka ny fotoana nifanomezana dia ampifaliana no handraisana anareo ety lapam-panjakana ety, amin’izao andro alahady ho fanendrena amin’ny fomba ofisialy ireo minisitra handrafitra ny Governemanta amin’izao fe-potoam-piasana vaovao izao. Pejy vaovao no hosokafantsika ho hosoratantsika anio, eo amin’ny fitantana-draharaham-pirenena. Mialoha izay dia maneho ny fisaorana ho an’ireo minisitra nandrafitra ny Governemanta teo aloha ny Tenako, nohon’ny fanoloran-tena sy ny asa vitan’izy ireo, nandritra izay fotoana niasana izay , toerana tokoa mantsy dia hifandimbiasana ary fandaminana tsy maintsy hapetraka, ny olona tomponandraikitra iray rehefa manaiky ho tendrena dia manaiky ihany koa ny fandaminana , manaiky ho halana eo amin’ny toerany.

Raha nanendry an’Andriamatoa Ntsay Christian ny Tenako andro vitsivitsy lasa izay , dia nazava fa ho hentitra ny safidy, amin’ireo mpikambana Governemanta vaovao izao, izany tokoa no hatao dia ho tombontsoa ambony ny Firenena sy ny vahoaka Malagasy, izay miandrandra fandrosoana haingana sy maharitra. Fomba fiasa vaovao, fomba fitantanana vaovao, no hapetrantsika eto amin’ny Firenena, satria izany tokoa no ilainy vahoaka sy handrandrain’ny vahoaka hatrizay, noho izany dia ireo minisitra rehetra mandrafitra ny Governemanta vaovao izao, dia nandalo digana marovao tonga amin’izao fanendrena izao, tao anatin’izany sambany no nisian’ny teste, teste psychométrique, Ary exposé isa-karazany sedraina traikefa sy ny fahaiza -manao, ara-teknika izay hananan’ireo minisitra, fa indrindra indrindra nandinihana mikasika manokana azy ireo dia tao anatin’izany ny personnalité any, ny fananany leadership, ny fahaiza-mitantana, ny éthique, ny esprit logique. Sambany hoy Aho no nisy an’izany , zavatra hataontsika dia izay olona hapetraka amin’ny toerana iray , dia tokony ho mendrika hitantana ny sehatram piasana hataony izany, ary izany fomba fiasa hataontsika manomboka izao eto amin’ny Firenena.

Nandritra ny adin’ambava na na grand orale dia nampisogadina ny fahaiza-manao ary fifehezana ny departementa ny ministerielle sy ireo olana lehibe mikasika izany ireo minisitra.Ahoana tokoa moa no hafahanao hitondra vahaolana ? ahoana tokoa moa afahanao mampandroso ? raha tsy fantatrao ny olana misy eo amin’ny ministera sy ny départemanta izay sahaninao, noho izany dia mila miasa tsara isika.

Andriamatoa sy Ramatoa minisitra isany , mino Aho raha voatendry ianareo, dia vonona ny hametraka ny fanamby miaraka Amiko sy Andriamatoa Praiminisitra lehiben’ny Governemanta. Tao anatin’izany teste izany dia nampivohatra ihany koa ny fahaizana mitondra vahaolana mitombina sy mazava, ary azo tanterahina nahitam-bokatra azo tsapahin-tanana ireo minisitra .

Nametraka an-tsoratra ireo paikady arosony ny minisitra vaovao, hanarenana ny fahantrana lalina iainan’ny Firenena. Ny teste psychométrique moa dia efa fanao maneran-tany rehefa manao fiafantenana avo lenta toy izao, izany dia afahana mahafantatra bebe kokoa ny toetran’ny olona iray , ao anatin’izany fahaiza -mitantana, ny favitriana eo amin’ny fanatanterahina ny asa,ny fahatokisan-tena ,ny fahaizana mitondra adihevitra avo lenta, eo ihany koa ny fahitsiana ,sy famarinana arak’asa. Ary indrindra indrindra fahaizana miasa haingana ,ao anatin’ny pression isa-karazany.

🔹 Ny nampiavaka ny fifantenana ny mpikambana tao anatin’ny Governemanta vaovao ity dia ny fampisongadinana ny traikefa no tena nimbahana, ary indrindra moa izany ny fanomezana sehatra ho an’ireo tanora manana ny fahaiza-manao. Eto dia singaniko manokana satria anisan’ny Governemanta misy tanora indrindra izay madrafitra izao Governemanta izao, satria dia misy mitantana misahana ny ministera tontolo iainana dia tanora herotrerony vao 28 taona , manana fahaiza-manao mikasika izany, nanome sehatra ihany koa ny fahaiza-manao ny tanora ,izay nianatra manokana momba ny zavatra tokony ampisongadina ny zavatra izay hataony, ary izay no nanomezana fatokisana ihany koa, ny hitantanana ny ministeran’ny raharaham-bahiny an’i Ramatoa izay eto moa izy, ny taonany 36 taona monja

. 🔹 Mahatoky ny tanora Aho ary mino sy mahatoky Aho fa afaka manatratra tanjona goavana isika ,ao ihany koa ianareo minisitra rehetra izay madrafitra izao Governemanta izao mino sy mahatoky Aho fa hamaly ny hetahetam-bahoaka isika iasa ho an’ny vahoaka isika ,ary handroso haingana kokoa isika ,izay fanamby hapetrako miaraka aminareo mpikambana rehetra ao anatin’ny Governemanta.

🔹Eto Aho dia misaotra manokana aloha ireo manam-pahaizana izay nadrafitra ny fikarakarana ireo teste rehetra izay natao, natao tao anatin’ny mangaharaha avokoa ,ny fifantenana sy ny adina rehetra izay natao, ary misaotra manokana an’izy ireo Aho satria dia am-pitiavana ary an-kitsim-po no nanaovana izany fiara-miasa sy ny teste izany , ny tanjontsika dia raha nanao izany karazana sivana samihafa izany dia mba tena hampivoatra ny olona tena tokony eo amin’ny toerana izay sahanin’ny ministera iray ny olona tokony hapetraka sy hitantana izany. Nanao izay fomba rehetra isika mba hametraka ny olona iray manana ny fahalalana , manana ny fahaiza -manao hitantana izany departemanta ministerille izany. Araka ny teny vahiny dia ny hoe « La bonne personne à la bonne place ».

Mampatsiahy anareo Aho anefa fa tsy ny titre no zava-dehibe tsy maha minisitra no finalité na zavatra hiafarana fa eo vao manomboka ny asa sy ny fanamby rehetra izay hapetrantsika ,ary ny faniriako dia hametraka tantara ianareo tsirairay avy eo amin’ny départemanta ministérielle izay hosahaninareo mba hisy fanovana hisy fandrosoana ao anatrin’izany sehatr’asa horaisinareo manomboka androany izany . Tompokolahy sy Tompokovavy !

Maro ianareo no nametraka CV ary naneho fahavononana , fa izao : raha 27 isan’ireo départemanta eto anivon’ny Governemanta dia efa 500 nametraka an-tontataratasy fahavononana, misaotra anareo rehetra izay nanao izany ny tenako , ary tiako ihany koa mampafantatra anareo rehetra fa tena misy ary tsapako ny fahavononana izay nasehonareo tsirairay avy, sy ny fitiavan-tanindrazana sy indrindra ny finiavana andray anjara amin’ny fampandrosoana ny Firenena. Tsy minisitra ihany anefa no ilaina amin’ny fampandehanan-draharaha eto amin’ny Firenena , tsy very akory ireo CV napetrakareo ireo fa efa misy sampan-draharaha manokana iandraikitra ny fikirakirana azy ireny , anisan’izany ireo andraikitra maha Sekreteram-panjakana izay hapetrantsika,satria ny tsapa dia matetika misy andraikitra adino eo anivon’ny départemanta ny ministérielle anakiray na lasa tsirambina ,rehefa tsy hain’ilay minisitra no mitantana sy madrindra ny asa izay handrasan’ny vahoaka, izay indrindra no nahatonga ny tenako niaraka tamin’nAndriamatoa Praiministra naka sy nandray fepetra nanena isan’ny départemanta ministérielle , fa hampitombo kosa ny secrétaire d’Etat mba ampafaingana afahantsika mandroso haingana kokoa, noho izany dia hametraka secrétaire d’Etat maromaro isika , anisan’izany –

secrétaire d’Etat auprès de la Présidence en charge d’électrification rurale et de ménage, na sekreteram-panjakana miandraikitra ny fampidirana jiro eny amin’ny tontolo ambanivohitra sy isa-tokantrano. Mino sy matoky Aho fa raha paikady hapetrantsika ato dia hihoatra ny 40% na ananitanika 50 na hihoatra ny 60% ny olona izay hahazo sy hisitra fahazavana , indrindra hisitraka ny jiro eo anivon’ny tokantrano tsirairay avy ,amin’ny fametrahana manokana io départemanta manokana io, io départemanta manokana io ihany koa no hisahana ny fizarana ny HAZAVANA HO ANAO isakin’ny tokantrano izay tsy manana jiro manerana an’i Madagasikara ary ezahintsika ho vitahina ao anatin’ny herintaona izany. –

Hametraka ihany koa isika secrétaire d’Etat auprès de la Présidence en charge de la lutte contre de la pauvreté et de l’insertion sociale na sekreteram-panjaka miandraikitra ny ady amin’ny fahantrana , io sekreteram-panjakana io no hadrindra ny ankohonana MIARINA ny fanomezana fiofanana , fanaovana tanana vaovao, fanomezana trano, ao anatin’ny fianakaviana izay tena marefo, dia misy ezaka sy digana lehibe sy fanovana lehibe hataontsika amin’izany . –

hametraka ihany koa Secrétaire d’Etat auprès de la Présidence en charge de souveraineté alimentaire , na sekreteram-panjakana miadraikitra ny fahaleovantena ara-tsakafo, hisahana manokana izany sekreteram-panjakana izany amin’ny fanakekezana bebe kokoa amin’ny tantsaha amin’ny fanaovana tohan-drano maro, ary indrindra indrindra fanaparitahana sy ny fanamorana fizarana zezika sy masom-boly ho an’ireo tantsaha manerana an’i Madagasikara. –

Hametraka ihany koa isika Secrétaire d’Etat en charge de l’économie et du plan. –

hametraka ihany koa Secrétaire d’Etat en charge de la coopération d’économique , –

🔹 ny Secrétaire d’Etat en charge de la jeunesses et de la lutte contre de stupéfiant, na sekreteram-panjakana miadrakitra ny tanora sy ny ady amin’ny zava-mahadomelina . –

🔹 zava-dehibe ihany koa ny fametrahantsika Secrétaire d’Etat auprès de la Présidence en charge de la digitalisation et de service public na sekreteram-panjakana miadraikitra hai-tao ara-kajy mirindra, anisan’izany zavatra hapetraka dia ny hoe : ny afahan’ny ireo vahoaka Malagasy rehetra miditra ao anatiny tanteraka ny digitalisation , anisan’izany ohatra ny fakana certificat de résidence, izay tsy tokony hioatra ny dimy minitra, efa betsaka ny kaomina ny fokontany izay manana izany fitaovana izany, eo ihany koa ny fanaovana permis de conduire , ny passeport, ny situation juridique , raha tonga eny amin’ireny fananan-tany ireny ianao dia ampidirina ny anarana ,ampidirina nimeraon’ny titra , dia mivoaka haingana ny situation juridique izany. Izany hoe ezahintsika hafainganina ny fikirakirana ny antontataratasy, izay ilay ao anatin’ilay andro telo izay napetrantsika. –

Hametraka ihany koa isika Secrétaire d’Etat en charge du commerce et de la consommation, –

🔹 hametraka ihany koa Secretaire d’Etat en charge de l’artisanat et de métier.

Ny antony Secretaire d’Etat moa dia vitsy olona miasa ao aminy satria dia eo olona 10 na 15, 20 farafa-habetsany, ny olona iasa ao anivon’izany secrétaire d’Etat izany , fa raha ministera dia tsy maintsy manana ireo talem-paritra rehetra ny ratsamangaika rehetra dia manavesatra ny fitantanan-draharaham-panjakana.

Antony nilazaiko antsika tsirairay avy ry vahoaka Malagasy izany zavatra rehetra izany dia manana ny fahavononana isika hanova manana fahavononana isika hanafaingana ny fampandrosoana an’ity Firenena mamitsika ity.

Mitodika manokana aminareo minisitra vaovao ny Tenako , ianareo minisitra vaovao voasivana sy nihavaka tao anatin’ny maro dia ianareo ireo, betsaka tokoa ny te ho minisitra , betsaka tokoa ny te handray andraikitra fa ianareo no azo lazaina fa niavaka tao anatin’ny maro. Hiroso amin’ny fanendrena anareo amin’ny fomba ofisialy isika izao, ary handray départemanta izay hiandraketanareo tsirairay avy ianareo, koa miarahaba anareo Aho tonga soa ao anatin’ny fitantanana ny andraikitra izay ankinina aminareo , ary tonga soa ihany koa ato an-dapa, tonga soa ao anatin’izany fadrafetana ny Governemanta vaovao izany. Mino sy mahatoky Aho fa efa nihomana sy efa vonona ho amin’izany andraikitra masina izay ankinina aminareo tsirairay avy izany ianareo. Koa araka ny efa nifanarahantsika sy tamin’ny vahoaka Malagasy ihany koa , dia vao mandray izao asa izao ianareo androany dia hanao fianianana eo imason’ny vahoaka, ohatra izay nataoko ihany koa, izany hoe tsy ny Filoha ihany manao fianianana fa ny olona manana fahavononana, olona tia tanindrazana, ny olona vonona, ny olona mahitsy, ary tsy matahotra hisedra izany fiainana izany. Koa hanao fianianana eto imason’ny vahoaka ianareo, fa hanatanteraka an-tsakany sy an-davany am-pamarinana sy hampahitsiana ny asa izay ho sahaninareo, ary indrindra indrindra tsy hanao kolokoly,na amin’ny hendriny inona na amin’ny hendriny inona na amin’ny hendriny ahoana fa hikatsaka hatrany ny tombontsoam-pirenena , sy tombontsoa ny be sy ny maro. Miniana ihany koa ianareo fa raha sanatria tsy mahatanteraka izany fanekena hataonareo izany dia hametram-palana avy hatrany.

🔹 Manankasina loatra mantsy ny adidy sy andraikitra hapetraka aminareo , mihadrandra fampandrosoana haingana, sy mipaka isa-tokantrano, ny vahoaka Malagasy, ka ianareo tomponandraikitra voalohany amin’ny fanatanterahina ny vinam-pandrosoana izay napetraka mba hanatratrarana ny fahatarana lalina izay niainan’ny Firenena hatrizay.

Koa mahaleova, mahalasa ,ary Andriamanitra no hitantana ny dianareo. Mahereza ary mijjoroa amin’ny fahamarinana lalandava ianareo , tanteraho am-pitiavana ny asa izay hiatsoroanareo tsirairay avy, vitao hatramin’ny farany ny andraikitra rehetra izay apetraka aminareo , henoy ny hetahetam-bahoaka , midina ifotony, itady vahaolana tena andrasan’ny vahoaka , tsinjovy hatrany ny maha olona , tanteraho ny fampandrosoa izay andrasan’ny Firenena aminareo tsirairay avy. Ary tandrovy mandrakariva ny mangaraharaha eo am-panatanterahina ny asam-panjakana araka ny drafitra maty paika izay napetrantsika.

Andriamanitra anie hanazava ny lalànareo eo am-panatanterahina ny adidy goavana miandry anareo tsirairay avy araka ny tenin’ny Soratra Masina ao amin’ny Ohabola faha 16 andininy faha 3 izay mivaky toy izao : « Ankino amin’i Tompo ny asanao, dia ho tanteraka izay kasainao ».

Andriamatoa Praiminisitra lehiben’ny Governemanta , mamerina ny fahatokisana efa napetrako taminao Aho, indro ny Governemanta vaovao, izay tarihinao, tariho amin’ny lalana tokony alehany ny mpiara-miasa rehetra aminao , hanatanteraka ny hetaheta sy filàn’ny vahoaka Malagasy manerana ny Nosy. Nohon’izany raha sanatria misy mihoam-pefy ka mivily amin’ny lalàna tsy tokony aleha izay tsy nifanarahana dia raiso ny andraikitra hanitsy azy ireo Andriamatoa Praiministra.

Ny tenako manokana dia hitarika anareo am-pahitsiana sy am-pitiavana afahantsika manatratra ny tanjona izay napetrantsika satria lalim-paka loatra ato am-pontsika ny faniriana am-pamiratra, ampisogadina ary hampandroso an’ity tanindrazana malalatsika ity. Mino sy mahatoky Aho fa haresy lahatra fa rehefa samy manatanteraka ny andraikiny an-tsakany sy an-davany ny rehetra , dia ho tratra ilay tanjona sy fanambi hapetrantsika dia ny hoe : « ny Malagasy rehetra tsy maintsy mandresy ary Madagasikara tsy maintsy mandroso ».

Masina ny tanindrazana , Mankasitraka Tompokolahy Misaotra Tompokovavy !

480 réflexions sur “Nomination: 27 MINISTRES COMPOSENT LE NOUVEAU GOUVERNEMENT

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *