NIDOBOKA AM-PONJA LOLA RASOAMAHARO

Niakatra Fampanoava io sabotsy hariva faha 25 marsa 2023 io  Lola Rasoamaharo – Tompon’ny Gazety LA GAZETTE DE LA GRANDE ILE izay manana ny foibeny eo Antanimena.

Taorian’ny fihainoana azy dia nidoboka am-ponja eny Antanimora avy hatrany izy. Tsy mbola fantatra ny anton’ny fitoriana azy – tsy hay na ilay fitoriana taloha izay naresaka teto amin’ny tavamboky io raharaha nitoriana azy.

Tsy fantatra mazava ny mpitory satria tsy nisy ny Point de Presse na Communication nilazalaza ity raharaha ity, sabotsy alina ity. Ny nanaitra ny maro ihany koa dia natao andro hariva ny fihainoana azy satria tamin’ny 8 ora alina tany hoa ny . Nisy antony manokana ve ny hanaovana fihainoana andro sabotsy hariva , ny rahampitso mantsy efa alahady andro tsy fisian’ny gazety mpivoaka isanandro.

Mpanao gazety tranainy miisa roa izany izao no miditra am-ponja ao Antanimora dia Rolly Mercia sy Lola Rasoamaharo. Iry voalohany moa dia efa mpanao gazety tao amin’ny La Gazette De la Grande Ile ihany koa.

Misy ny feo mandeha fa fitoriana mikasika raharaha hafa tsy misy hidiran’ny asa fanaovan-gazety ity hitoriana azy ity..

11 réflexions sur “NIDOBOKA AM-PONJA LOLA RASOAMAHARO

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *