NAMELA TAKAITRA I CHENESO

Araka ny fantatra dia mbola nijanona tao Distrikan’i Befandriana
avaratra Ilay rivodoza Cheneso ny omaly 19 Janoary 2023,
na izany aza dia nihena ny heriny izay nitondra rivotra 50 kilometra
isan’ora.Mizotra tsikelikely mankany andrefana atsimo ny Nosy izy
izay manana hafainganam-pandeha 15 kilometra isan’ora
Ary mihena miandalana ny heriny izay tsy dia misy hatahorana.
Ireo fampitandrema kosa dia mbola mitoetra hatrany izay miloko
manga ho an’ny Faritra Diana,Sava,Analanjirofo,Sofia,
Boeny,Vatovavy,Fitivinany ary Analamanga.
Tokony hitandremana ihany koa ireo toerana iva izay mety ho dimbon-drano.
Vinavina hatreto dia ny herinandro ho avy
io no hivoaka an-tanety ity rivodoza ity.

Nandritra fandalovan’i Cheneso omaly 19 Janoary dia maro ireo trano efa
dibon-drano sy ny fianankaviana traboina izay voatery nafindra toerana,
738 ireo tokantrano izay ahitana traboina miisa 2224 ao faritra Analanjirofo.
214 ireo nafindra toerana ary 638 ny trano dibon-drano .
Tapaka ny lalana ao amin’ny RN3b mampitohy an’i Sambava sy
Andapa ao Masiaposa 10kilometra ny Andapa.

Zazalahy kely 1 taona sy tapany no Maty latsaka tao anaty rano tany
faritra Sava kaominina Ambalamanasy II. Zazalahy 10 taona ny tsy
hita ny 18 Janoary tao kaominina ambonivohitra Ambolobozobe
Faritra Diana, olona Telo niara-dia tamin’ny avotra soamatsara.

Anosibe An’ala dia mitoka monina tanteraka ny vahoaka any
amin’ny Fonkotany Anosibekely kaominina Anosibe An’Ala
nohon’ny fiakarana rano be manodidina (satria voadidina lemaka io Fokontany io)
Be loatra ny rotsakorana any an-toerana.
Efa manao “allô allô” izy ireo mba
hitandreman’ny Mponina manodidina nohon’ny fiakaran’ny rano.

Andry Rakotonirainy

Une réflexion sur “NAMELA TAKAITRA I CHENESO

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *