Mponina tao Amparafaravola : OMENAY NY PREMIER TOUR DIA VITA NY KANDIDA LAHARANA FAHATELO

Tsodrano avy amin’ny Raiamandreny no nanokafana ny fihaonana teto Amparafaravola . Premier tour dia vita ny an’Amparafaravola hoy ireto Raiamandreny ireto satria manohana ny numéro 3 ny vahoaka eto.
Nafana dia nafana ny fandraisana sy ny ambiance teto. Ny fahavitan’ny RN44 sy Manaingazipo, ary ny RN3A efa andalam-pahavitana no tena nanamafy ny fitiavan’ny vahoaka eto Amparafa an’i Andry Rajoelina. Misaotra anao izahay fa efa be ny fitiavanao anay.

Ny eto amin’ny tananan’Amparafaravola, renivohitry ny distrika dia mbola somary tara ary mila ampiana ny fampandrosoana. Sekoly efa ampolo taonany maro no mbola ianaran’ny ankizy eto amizao.
Premier tour dia vita hoy ny horakoraky ny vahoaka teto.

Fantatro ny fitiavan’Amparafaravola ahy ary fantatrareo koa ny fitiavako anareo. Be dia be ny filoha nifandimby teto fa anakiray ihany no sahy nifanao velirano tamin’ny vahoaka’Alaotra Mangoro satria nijaly ianareo tamin’ny RN44. Tratra ny tanjona satria tsy mandeha fotaka intsony ianareo fa vita ny RN44. Mahery ary miasa i Andry Rajoelina hoy ny vahoaka teto Amparafaravola. Mila filoha manakaiky vahoaka sy tia ny vahoaka ity firenena ity. Be dia be ny fotodrafitrasa vita manerana an’i Madagasikara. Ao Ambatondrazaka ohatra nanaovana université, sy fotodrafitrasa maro hafa toy ny PC23 izay manondraka ny lemaka rehetra, ny RN44, EPP sy lycées.

Ny lalana RN44 dia tohizana ao Vohidiala ary hatao tonga hatreto Amparafaravola dia amboarina avokoa ny points noirs rehetra. Matoa aho tonga eto androany dia hanambara ny fitiavako noho izany hanamboaratsika EPP, CEG ary lycée vaovao eto Amparafaravola. Somary tara amin’ny fotodrafitrasa Amparafaravola satria lasa tany Ambatondrazaka avokoa ny asa natao. Manomboka izao dia tsy ho hadino intsony Amparafaravola. Vao tafapetraka aho aminy volana janoary dia hamboarina hatao terrain manarapenitra ary hosoloina ny gradins ary hatao synthétique ny eto amin’ny kianjan’Amparafaravola. Hanao autoroute miainga any Antananarivo isika ka mandalo ao Andaingo ary makany Toamasina.

Raha 12h ankehitriny no anaovana ny RN2 rehefa vita io dia 1h30 dia tonga ao Andaingo. Filoha iray ihany no tena tia anareo. Tsy fahefana na voninahitra no tadiaviko fa fitiavana ny vahoaka malagasy.
Ny fitiavana no manainga ahy ka n’iza2 hiteny hoe izaho tsy gasy dia ny ra malagasy no mikoriana ato anatiko ary tsy ho afaka hofafana. Raha ny mpanao politika manenjika ahy raha ny vava no atao betsaka efa resy isika fa tsy izay miteny mafy no mandresy fa izay eken’ny vahoaka no tsy maintsy mandresy. Ny jalousie ny mpanao politika mpanenjika an’i Andry Rajoelina tsy hitondra azy ireo makaiza fa hampianjera ny vatany ary i Andry Rajoelina tsy maintsy mandresy.

Nomen’Andriamaniyra masoandro isika. Ny herinaratra eto anefa dia mbola thermique no mitondra ny herinaratra eto Amparafaravola ary misy mangalatra sy manodina ny gasoil. Rehefa tonga eto amin’ny fitondrana aho na ministre na directeur vao mangalatra dia hogadraiko sy esoriko eo amin’ny toerana. Izay ilay Andry Rajoelina version 2024. Hametrahana parc solaire mitovy hangeza amin’ity terrain ity eto Amparafaravola isika amizay tsy tapaka intsony ny jiro eto.

Nanao fanamarihana ny vahoaka teto fa efa mandeha ny terrassement amizao. Telo volana raha be indrindra aorian’ny fahalaniany dia tsy maintsy tafapetraka io parc solaire io. Taminy mandat voalohany tsy maintsy nanao fotodrafitrasa be dia be. Fa aminy mandat manaraka dia hanakaiky kokoa anareo aho ka hanokana budget manokana hoan’ny fikambanam-behivavy. Hatao laharam-pahamehana ny vehivavy manano-tena sy ny vehivavy tsy an’asa. Toa izay koa ny tanora tsy anasa. Hanampy anareo amin’ny formation sy ny fanomezana asa aho.

Ny kandida betsaka fa misy vao mijoro, vao jerena ny masony dia fantatra fa tsy hanao zavatra. Fa misy kosa hita hoe sincère. Kandida tsy manavakavaka sady tsy miatsara velatsihy i Andry Rajoelina. Ny 15% ny vahoaka Malagasy ihany no mampiasa JIRAMA amizao. Ny tokatrano rehetra mampiasa pétrole sy labozia eto Amparafaravola dia homena kit solaire avokoa rehefa lany izy.

Betsaka ny tantsaha mpamokatra eto ary anisan’ny sompitr’i Madagasikara. Tsy maintsy hampiana ireny barrages manondraka tanimbary ireny. Efa nanao ezaka isika taminy mandat voalohany Fa amin’ity mandat faharoa ity dia hotanterahina ny tetikasa riz plus. Nahazo famatsiam-bola 250 millions de dollars isika fampitomboina vokabary isaky ny hekitara amin’ny fampitaovana ny tantsaha.

Ny eto Alaotra Mangoro no hahazo tombotsoa betsaka indrindra amin’ny fanamboarana barrages.
Hiaraka hanova ny tantara isika aminy 16 novambra. Izay atombokao tsy maintsy farananao natombotsika ny stade EPP, CEG, lycée dia tsy maintsy isika no hitokana azy. Efa atao ao ny parc solaire tsy maintsy isika no hitokana anireo.

210 réflexions sur “Mponina tao Amparafaravola : OMENAY NY PREMIER TOUR DIA VITA NY KANDIDA LAHARANA FAHATELO

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *