Ministra mpiahy : NANOME FITAOVANA NY TARANJA LOMANO

⭕Ministra mpiahy : NANOME FITAOVANA NY TARANJA LOMANO

Tonga teny amin’ny ANS Ampefiloha ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana,omaly , niaraka tamin”ny ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Profesora Randriamanantany Zely.

Amin’ny maha-mpiahy ny Taranja Lomano azy ireo moa dia nanolotra fitaovana ho an’ireo mpilomano ampiasainy mandritra ny fanatanterahana ny lalaon’ny Nosy Fanafody mampatanjaka, sy fanalana havizanana, ary tohana ara-bola ho enti-miatrika ny fanazaran-tena ho an’ny Mpilalao miisa 30 no natolotra tamin’izany.

Ankoatr’izay dia niresaka tamin’ny Mpilomano sy ny Ray aman-dreny ary ny Tale Tekinikan’ny Taranja Lomano izy ireo, nidinika momba ny hiatrehana ny fanomanan-tena. Tanjona mantsy ny hiarovana ny voninahim-pirenena sy hahazo medaly maro

Hasimbola

Une réflexion sur “Ministra mpiahy : NANOME FITAOVANA NY TARANJA LOMANO

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *