Minisitry ny Fifandraisan-davitra : ” HANDRAISANA FEPETRA NY OPERATEUR MBOLA TSY MAMPIDINA NY SARAN’NY INTERNET”

Tsy maintsy handraisana fepetra ny “Opérateur Internet” miasa sy mitady vola eto Madagasikara, mbola miziriziry tsy mampihatra ilay saran’ny internet ambany efa tokony hihatra. Efa nalefa ny fampandrenesana azy ireo, hoy ny ministry ny Fifandraisan-davitra, Paositra, sy Haitao Ara-kajy Mirindra.

Nandritra ny fanamarihana ny andro maneran-tany ho an’ny fifandraisan’davitra (Journée mondiale des télécommunications et de la société d’information ), dia nisy ny tafa nataony tamin’ny Mpanao gazety ka nanambarany izany, omaly teny Alarobia. Ity hetsika ity kosa dia nomarihina tamina velan-kevitra sy dinika izay niarahana tamin’ireo sehatra tsy miankina misehatra amin’ny TIC ny Haitao teknolojia Vaovao.

Ho an’i Madagascar , tanjona ny hampidina ny saran’ny interneto, sy hampitomboana ireo mpampiasa azy , “hisy ny fepetra horaisina raha toa ka tsy mampidina ny vidin’ny internet ny mpandraharaha aorian’ny fanesorana ny vidin’entana”, hoy ny fanazavana nentin’ny ministry ny Fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra ny fifandraisan-davitra.

Lycia ANDRIANIRINA

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *