MINISITRA SOAFILIRA PRINCIA : « MITSINJO IREO MAREFO ARA-PIVELOMANA NY FITONDRAMPANJAKANA«

Kaomina 10 ao anatin’ny Distrikan’I Manandriana Faritra Amoron’i Mania izay ahitana fianakaviana 7000 , no nahazo ny tetikasa izay vatsian’ny banky iraisam-pirenena vola dia ny tetikasa haraton’aina ny 09 Febroarzy 2023 . Ny fanombohana ny Asa Avotra Mirindra ho an’ireo kaomina ao amin’ny Distrikan’I Manandriana no nisantarana ny sosialim-bahoaka ho amin’ity taona 2023 . ny Ministeran’ny mponina kosa no hanatanteraka ny asa. Ny asa avotra mirindra dia famporisihana ny mponina mba hiavo-tena , ka ny fanampiana aram-pitaovana sy vola no hoenti-manana hirosohan’izy ireo amin’izany. Nisy ihany koa ny Fihofanana amin’ny fambolena kafe, vary, hazo fihinamboa sy haninkotrana omena ireo mpisitraka mba afahany miarina, eo ihany koa ny fanatsarana ny fiompiana, ny ady amin’ny herisetra isan-karazany sy ny fahaiza-mitantana.

Tsahivina ihany fa efa nitatitra ny Filoha Andry Rajoelina fa natokana ho amin’izay asa sosialy izay ity taona ity, ka dia izao notanterahana tao amin’ny Distrikan’i Manandriana izao izany .

Tonga tany an-toerana nitsidika ireo mponina ny Praiminisitra NTSAY Christian , notronin’ny Minisitrin’ny mponina SOAFILIRA Princia , ary ny mpikambana eo anivon’ny Governemanta .

« Tsy vitan’olon-tokana ny asa fampandrosoana ary ilàna ny firaisankinan’ny vahoaka sy ny fiaraha-miasa eo amin’ny mpitondra amin’ny ambaratonga rehetra. Tanjona amin’izany ny hahafahana mandrindra ny asa faampandrosoana an’i Madagasikara sy ny hahatsapan’ny vahoaka fa misy mpitondra ity firenena ity, ary miahy ny mponina ao aminy, hoy ny Praiministra NTSAY Christian.

Ny Minisitrin’ny mponina SOAFILIRA Princia dia nanamafy hatrany nandrfitra ny lahanteniny fa mitsinjo sy mijery akaiky ireo mponina marefo ara-pivelomana ny fitondram-panjakana , ary an-dalam-pananterahina ny hitaran’ny tetikasa haraton’aina manerana ny Nosy.

Nandritra ny fitsidihana no nanoloran’ny Praiminisitra lamba firakotra ho an’ireo zokiolona, lelavola, koveta sy vilany ho an’ireo fikambanam- behivavy ary tafo fanitso ho an’ireo olona traboina noho ny haitrano nitranga tao an-toerana. Nisy ihany koa ny fitaovana ho an’ny fikambanam-behivavy, ary tolotra ara-pahasalamana isan-karazany izay niarahana tamin’ny ministeran’ny Fahasalam-bahoaka.

Andry Rakotonirainy

#soafilira

#sosialy

#ledefi_madagascar

11 réflexions sur “MINISITRA SOAFILIRA PRINCIA : « MITSINJO IREO MAREFO ARA-PIVELOMANA NY FITONDRAMPANJAKANA«

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *