Mahanoro : TSY MIALA AMIN’NY KANDIDA LAHARANA FAHATELO

Tsodrano noentin’ny filohan’ny Tangalamena eto amin’ny Distrikan’i Mahanoro no nanokafana ny fandraisana ny Kandida laharana fahatelo Andry Rajoelina – androany sabotsy 11 novambra 2023 – teto amin’ny Kianja Manarapenitra Mahanoro.

Maro ny fotodrafitrasa vitanao teto Mahanoro. Vavolombelon’izany izao Kianja Goavana Manarapenitra eto izao ankoatra ireo fotodrafitrasa maro hafa.

Mirehareha izahay fa manana anao.

Ianao tsy maintsy lany satria tiam-bahoaka. Porofon’izany izao vahoaka marobe izao.
Premier tour de vita ny anao eto Mahanoro ary malalaka ny hidiranao ao amin’ny lapa Iavoloha.

Mitsodrano anao ny vahoaka eto Mahanoro ho lany soa aman-tsara ka hitondra ny firenena anaty 5 taona manaraka.

Ankoatra izay dia nanao fangatahana tamin’ny Kandida Andry Rajoelina ity Filohan’ny Tangalamena ity mba hanomezana Region manokana ahitana Distrika 3 : Mahanoro – Vatomandry – Antanambao Manampotsy ka ny anaran’io Region io dia Region Mahavanina.

MERCI PRESIDENT


Noraisin’ny mponina tao anatin’ny horakoraka ny fandraisam-pitenenan’ny kandida laharana fahatelo, Rajoelina Andry.
”President , président, 3″ , horakoraka. Akory lahaly, hoy ny filoha raha nandray fitenenana. ”Fantatro fa niandry ahy ary nalahelo, rehefa tsy tonga teto aho ny alahady teo. Efa an-dalana kanefa feno zavona ny tendrombohitra ka tsy tafapetraka. Nilaza tamin’ny mpanamory aho hoe: ataovy izay hahatongavana any, satria, tsy azo eritreretina raha ny fandaharam-potoanako no jerena. Fantatro anefa ny fitiavanareo ahy, noho izany, na inona na inona hidona na hitranga dia tsy maintsy tonga aho”, hoy Izy.
Faly ny tenany, fa mbola noporofoin’ny mponin’i Mahanoro ihany na ny tamin’ny alahady na ny androany ny fitiavain’ireo vahoaka marobe azy , tonga fanindroany tao an-kianja.”Tiako ianareo ary tia ahy koa. Nahafinaritra ahy vao tonga eto fa nisy fiovana nisy fivoarana ny tananan’i mahanoro. Teo aloha lalam-pasika sy lalam-potaka no nisy. Nataotsika béton ny lalana, toy ny fitiavanareo ahy ihany, izay mafy ary tsy voahozongozona”, hoy izy.


”Merci président”, hoy ny horakoraka. Nanome toky izy fa mbola asiana jiro ireo lalana vita ao an-toerana, isan’izany ny ao Ankadindrano. ”Afaka manao jejojejo madama amin’izay”, hoy Rajoelina Andry. Nambarany fa efa mijoro avokoa ireo fotodrafitrasa ilain’i mahanoro. Isan’izany ny kianja manara-penitra ary mendrika izany ianareo.
” Iza no filoha akaiky vahoaka? Fantatrareo izany. Mila filoha efa za-draharaha i Madagasikara. Ho an’ny 5 taona manaraka vé dia olona tsy mahazo permis no hitondra ny firenena. Olona efa tsy mahavita mandeha alina vé , efa vizana dia azo itokisana. Olona akaiky ianareo ary tanora mahavita azy no ilaina. Olona tia sy akaikin’ny vahoaka ihany koa”, hoy ny kandida laharana fahatelo.
Naverimberiny fa filoha mitsinjo vahoaka Izy. Nitsinjo ny mponina izy tao anatin’ny andro sarotra, ary hita amin’ireny hoe iza no filoha akaiky sy tia an’ny vahoaka. Tia ny malagasy izy, izay no antony mbola nirotsahany kandida dia ny hampandroso an’i Madagasikara. ”Nahazo vatsin’ankohonana sy tosika fameno ianareo. Mblola tohizana vé izany sa tsia? Hitohizana izany ary ampitomboana avo 5 heny. Raha 4000 dia hiakatra 20000 no hahazo eto”, hoy ny filoha izay nilaza fa mahay mitady vola sy mandresy lahatra ny mpamatsy vola.

HAMBOARINA NY PISTE STADE..

Tsy andriko ze hatongavana aty Mahanoro ahita anareo satria isika mifanohana na amin’ny mora na amin’ny sarotra. Amin’ny fotoana toa izao no hifanohatsika.

Mikasika an’ireo kandida mpifanina dia haitsika fa maro ireo nirotsaka miisa 13 izahay. Saingy ao ny sasany mampiseho ny tsy fahavononana samihafa ka mitady ny fomba rehetra tsy hiatrehana fifidianana. Io anefa dia toy ny hazakazaka ka rehefa eny aminao ny dossart dia tsy maintsy tonga eny amin’ny ligne d’arriver.

Isika nanao ny kianja Barea – fotodrafitrasa reharehan’ny Malagasy rehetra – nandraisana ny Jeux des Iles teo. Nandresy tamin’ny taranja rehetra isika tamin’izany. Resitsika ny Comores – ny Maurice sns….ary nahazo médailles volamena maro isika. Ao anatin’izay sehatry ny Sport izay dia tsiahiviko fa nandresy hatrany aho.
Hatramin’izay nanaovako competition dia nandresy foana. Tamin’ny sehatry ny politika ihany koa – nandresy foana tamin’ny fifidianana izay natao.
Nirotsaka Ben’ny tanana tao Antananarivo aho ary lany. Nirotsaka Filoham-pirenena aho tamin’ny 2018 ary lany. Ary tsy maintsy lany amin’ny fifidianana 2023 ihany koa.
Na amin’ny Fifidianana na amin’ny fanamboarana fotodrafitrasa dia isika foana no voalohany.

Adino foana Mahanoro hatramin’izay ary tsy mba nanana kianja sy gymnase izany. Ankehitriny tsy hadino intsony ary nanaovana fotodrafitrasa mendrika azy .
Mikasika ny Kianja manarapenitra eto Mahanoro dia ho hatao Tartan ny Piste fihazakazahana mba ho tena manarapenitra tsara. Hataoko izany ho mariky ny fitiavako manokana an’i Mahanoro.

Tsy izay ihany fa ny Gymnase goavana eto Mahanoro ihany koa dia efa eo an–dalapahavitana. Nandalo teo izahay teo ary tena gaga mihitsy ramatoa vadiko nahita ny hakanton’izany Gymnase izany.

Efa ho vita tsy ho ela izy io ary tsy maintsy isika no hitokana azy. Araky ny voalazan’ny soratra masina hoe : Izay natombokao dia tsy maintsy farananao. Noho izany tsy olon-kafa no hitokana azy fa ny tenako ihany.

Ho an’ny eto Mahanoro hatrany hotohizana ny fanaovana beton ireo lalana eto an-tanana ka ireo lalana ratsiratsy rehetra dia hamboarina hatao Beton.
Efa ireo hitantsika ireo ny lalana sasany vita beton efa natomboka ary mbola tohizana izany.

BETSAKA NY MPANENJIKA


Nanamafy ny filoha fa raha mbola eto ambonin’ny tany, tsy misy atakalon’ny mponin’i Mahanoro azy. Misy mantsy ireo kandida dia fahefana, voninahitra, tombontsoa no tadiaviny. ”Matoa anefa aho mirotsaka dia fitiavana. Misy dikany ny laharana azoko tamin’ny 2018. Lazaina fa porte malheur izany kanefa hitondra soa ho an’i Madagasikara”, hoy Izy.
Notsiahiviny koa fa tsy tongatonga ho azy ny nahazahoany ny laharana fahatelo amin’ity fifidianana filoha ity. Mitoetra ao amin’io laharana io ny trinite masina , izay manome antoka azy ny fitsimbinan’Andriamanitra. Ao ny finoana sy ny fanantenana ary ny fitiavana, izay lehibe indrindra.
”Izay ankinina amin’Andriamanitra dia tanteraka avokoa ary tsy maintsy voavaha ny olana”, hoy Izy. Notsindriany hatrany fa jampandroso sy hampiakatra fari-pianan’ny malagasy izy amin’ny fe-potoam-piasany manaraka. Betsaka ny foto-drafitrasa vita, araka ny notanisainy ka isan’ireo ireo lalana. Ambilobe vohemar , ny Rn44 izay, tsy nisy nanao sy nahavita tao anatin’ny 60 taona.
nataoko velirano. Mitodika kokoa aty atsinanana anefa ny filoha ankehitriny izay manao ny lalambe migodana mampitohy an’Antananarivo sy toamasina. Adin’ny 2 ora ny faharetan’ny dia rehefa vita io, fa tsy 12 ora intsony. ”Hihena ny vidim-piainana rehefa vita ny lalana”,hoy Izy.
Nanome toky koa ny filoha fa hanamboatra ny ”route du soleil”, Miala Mananjary, nosy varika, mipaka hatrany maroantsetra izay hatao tara avokoa. Naverin-dRajoelina Andry fa filoha tsy mba nanavakavaka izy, na finoana io na firazanana.. ”Tsy mihatsara velatsihy aho ary tia anareo”, hoy izy. Hatao tara koa hoy Izy ny lalana Mahanoro Ambinanindrano.


”Betsaka mapanenjika, fa soa ihany fa tsy ny olombitsy no tia ahy fa ny malagasy iramanontolo. Miha mitombo hatrany ianareo no tia ahy.

HIZARA KIT SOLAIRE

Ity Mahanoro ity hatramin’izay dia adino foana sy
alavitry ny fampandrosoana fa amin’izao dia akaiky ahy ary akaiky ny foko.
Normal ve raha hatramin’ny nahazoana ny fahaleovantena izay dia tsy mba nanana tribonaly teto ka tsy maintsy mandeha Vatomandry rehefa mikarakara Casier Judiciaire.

Izay no nanaovatsika Tribonaly eto. Efa ho vita ny asa fanamboarana izany ka manomboka izao dia tsy handeha Vatomandry intsony rehefa mikarakara doossier fa vita eto avokoa.

Manaraka izany dia tohizana ny fanamboarana ny lalana mankaty Mahanoro. Efa mandeha ny asa ao ka hataotsika misosa ny lalana Vatomandry – Mahanoro.

Tsapako fa manana olana amin’ny famatsiana Jiro isika eto. Efa misy ny solution momba izay dia ny fametrahana parc solaire goavana – izay hamokatra herinaratra 1.5 megawat.
Goavana izany satria indroa mitovy ity stade ity ny haben’ny toerana haletrahana izany.
Efa nafarana ny fitaovana ary apetaka sisa. Tsy ho tapaka intsony ny jiro eto rehefa tafapetraka izany satria tsy hampiasa solika fa handeha amin’ny herin’ny masoandro manontolo.

Efa nambarako anareo fa hitondrako fahazavana ianareo. Fanamby manaraka hataoko ny hanomezana kit solaire isan-tokantrano ho an’ireo tokantrano rehetra tsy manana jiron’ny Jirama.
Telo volana aorian’ny fametrahana ahy ho Filoham-pirenena dia ho avy aty ho hizara izany.

Fanamby apetrako anareo izany ka ny vola tokony hividiananareo labozia na jiro petrole dia afaka atao tahiry sy entina hanatsarana fari_piainana.
Solotenan’ny vahoaka maromaro no nahazo izany ary nasehon’ny kandida laharana fahatelo ihany koa ny fomba fampiasa azy. ” Teknolojia moderina sy hiaka farany amin’ny kit solaire ireto. Azo hi chargena telephone . Azo reglena araka ny hitiavana azy ny firehatry ny jiro “.

Ny fanamby apetratsika kosa dia raha 85% ny vato nomen’i Mahanoro ahy tamin’ny farany teo – dia hataotsika mihoatra an’izany amin’ity 2023 ity . ” Vao lany premier tour dia anaterana kit solaire ianareo . Tsy maintsy tanterahako izany “.

Namaranan’ny kandida laharana fahatelo ny fihaonana tamin’ny vahoaka teto Mahanoro ny fanambarana fa hanampy kokoa ny tanora tsy an’asa sy ny fikambanam-behivavy bebe kokoa izy amin’io mandat manaraka io ./.

112 réflexions sur “Mahanoro : TSY MIALA AMIN’NY KANDIDA LAHARANA FAHATELO

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *