Lisi-pifidianana

Fisoratana anaty lisi-pifidianana: MANANA HATRAMIN’NY FAHA 20 JOLAY 2023 NY OLOM-PIRENENA

Nisy ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety ny 13 Jona 2023 teny amin’ny biraon’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena Misahana ny Fifidianana na ny CENI teny Alarobia.

Nambara tao fa mbola ny tetibolam-panjakana no nentina nanatanteraka ny fanisana ny mpifidy sy nanomezana ny karaman’ireo niandraikitra tamin’ny fanatanterahana an’izany.

Tao ihany koa ny fampafantarana ny antotanisan’ny mpifidy voasoratra anarana tao anaty lisim-pifidianana nanomboka ny fanisana hatramin’ny 10 Jona 2023 famaranana izany .

Ka manodidina ny 10768137 ny mpifidy voasoratra anarana raha toa ka 10749934 ny antotanisa fanavaozana ny lisitra ny taona 2021-2022, izany oe vinavinaina ny 79,22% no tratra amin’izay fanavaozana ny lisitry ny mpifidy izay.

Mbola manana 20 andro noho izany ireo olom-pirenena hafahany manamarina sy mametraka ireo fitarainana ary mbola afaka miditra ao anaty lisitra ireo mbola tsy nisoratra anarana mandrapahatonga ny faha 20 jolay 2023 izay famaranana tanteraka ny fanamarinana anarana anaty lisitra izay hiantrehana ny fifidianana amin’ny 9 novanmbra 2023 .

Ka manentana hatrany ny eo anivon’ny voameram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana hanamarina ny anaranao eny anivon’ny biraom-pokontany misy anao .

116 réflexions sur “Lisi-pifidianana

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *