Krizy mananontanona: MAMPANAHY NY HO AVIN’NY ANKIZY

Nanao famelabelaran-kevitra sy adihevitra momban’ny zon’ny ankizy tao amin’ny efitrano Albert Camus ny teo anivon’ny Institut Français Madagascar Analakely omaly alakamisy 23 martsa,izay notronin’ireo mpisehatra maromaro. Alin’ny hevitra nampitondraina ny lohahevitra hoe”Valo lavitrisa isika, mbola hitohy ve sa hijanona kely aloha? sy ny hoe”Ankizy toa inona no avela eto amin’ity planeta ity?”. Nisy ihany koa ny fampirantiana sary sy fijerena horonantsarimihetsika”animal”, novokarin’i Ciryl Dion izay mitondra fampianarana ho an’ny ankizy taorian’izay.

Izany dia natao ho fanomezan-danja ny zon’ny ankizy malagasy sy ho fanamarihana ity taona ity izay taona natokana ho an’ny zon’ny ankizy.Tsapa ho misedra zava-tsarotra mantsy ny zaza malagasy ankehitriny ary lasibatry ny herisetra sy ireo zava-mitranga eny anivon’ny fiaraha-monina ka mihen-danja hatrany ny zony ary miatraika amin’ny hoaviny izany.Eo ihany koa ny isan’ny mponina tsy mitsaha-mitombo izay mahatonga ny zon’izy ireo ho voahosihosy.

Araka ny nambaran-dRamatoa Noro RANAIVOARISON izay mpikarakara ny hetsika, dia “mampanahy ny hoavin’ny ankizy sy tanora malagasy noho ireo tranga efa nandalo teto amin’ny firenena toy ny valan’aretina covid-19, eo ihany koa ny fahantrana sy ny korontana izay efa mananontanona. Tokony hobeazina sy homanina hiatrika ny ho avy izy ireo arak’izany amin’ny alalan’ny fanomezan-jo azy. Tokony hojerena manokana ihany koa ny lafiny fandrindram-piterahana satria efa mihasarotra ny fiainana”.

Finaritra R.

119 réflexions sur “Krizy mananontanona: MAMPANAHY NY HO AVIN’NY ANKIZY

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *