Governeur Banky Foibe: NAHAVITA FIANIANANA

Taorian’ny fanendren’ny Filankevitry ny Ministra an’I Aivo H. ANDRIANARIVELO ho Governoran’ny Banky Foibe dia tontosa anio ny Fianianany izay teo ambany fiahian’ny Mpitsara eo anivon’ny Cours Supreme na Fitsarana Tampony teo Anosy.

Notronon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina.

Ny hahamari-toerana ny ariary no tena vain-dohandraharaha hataony, hoy izy, ary eo ihany koa ny fanamafisana ny rafitra ara-bolan’ny Repoblikan’i Madagasikara mba hitondra antsika amin’ny fampandrosoana hatrany.

Izy izany no Governora faha 9 hitondra ny Banky Foiben’ny Madagasikara. Manana ny fahaiza-manao entina hahamarin-toerana ny sandam-bola Malagasy raha ny fiofanana sy traikefa ananany. Satria tokoa dia Administrateur tao amin’ny FMI izy nialohan’izao fanendrena azy izao Manam-pahaizana.

Manam-pahaizana manokana momba  ny “marché des capitaux” , ny fitantanam-bolam-panjakana, ny banky sy ny “microfinance” ny tenany.

Tonga nanotrona ity fotoana manetriketrika ity ny solontena avy amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena, ny solontena avy amin’ny governemanta , rafitra samihafa ara-pitsarana sy ara-bola , izay midika fa tena manana ny toerany tokoa ny Governora ary manana ny lanjany eo amin’ny fampandehanana ny fandrosoana eto Madagasikara.

181 réflexions sur “Governeur Banky Foibe: NAHAVITA FIANIANANA

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *