Gascar Fenosoa – Antananarivo III : ” OMEKO HOTANTANAN’NY KOMITY AVY AMIN’NY VAHOAKA ILAY TETIBOLA AVY AMIN’NY CIAD RAHA LANY AHO”

“Carnaval” lehibe no nanohizan’ny Kandida GASCAR FENOSOA laharana faha-3, ny fampielezan-kevitra teto amin’ny Boriboritany Faha-3 ny alahady 19 Mai 2024. Nianga teo amin’ny Sidex-oi BETONGOLO izany ka nifarana teo amin’ny terrain Andranomahery ANKORONDRANO, toerana izay efa niandrasan’ireo mpanakato sy mpanao fanentanana maro.

Nandritra ny kabariny dia nilaza ity Kandida ity ” fa rehefa lany dia hatsangana ny Komity avy amin’ny Vahoaka, izay ny vahoaka ihany no hifidy azy, ka io Komity io no hitantana ilay vola tetibola CIAD ( amina miliara) natokana ho an’ny vahoaka. Ny fokontany izay miisa 43 dia asina Président kely isam-pokontany mba ahafan’ny ny olona hiasa isan’andro hivory sy handray ny hetahetan’ny vahoaka maro anisa ato amin’ny tanan’ Antananarivo III.

Ho fidina ny sefom-pokontany dia ny vahoaka ihany no hifidy azy. Hisy ny fanarenana ireo foto-drafitr’asa izay simba sy tokony amboarina na hatsangana toy ny lalana, ny trano fivoahana, ho jerena sy ampina ireo tsy an’asa, ireo mananontena ary indrindra ny Zokiolona sy ny vehivavy. Raha sanatria tsy vitako ireo, hoy Gasikara Fenosoa, dia tsy miandry esorina aho fa hanala tena”.

ORELIA MENDRIKA

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *