Fokontany Manjaka ILAFY : HIALOKALOFAN’NY MPANGALATRA MOTO…

Miresaka ny fampandehanan-draharaha ao aminy ny Chef Fokontany Manjaka Ilafy andriamatoa
RAKOTOMAHEFA Jean Maminirina. Miaina amin’ny zava-misy ny Fokontany, hoy izy ka hatao
izay mahamety ny eo am-pelatanana.

Manana ireny fasana marobe ireny ety ka vola avy amin’ireny no entina ampiasaina. Misy manome valopy ho an’ny fokontany
mantsy ka iny no atambatra entina hatao fanodinan-draharaha.

Etsy ankilan’izay dia niresaka momba ny Carnet Digital ihany koa izy ka henoy
tsara ao anatin’ity interview ity.

Fa ny tena olana eny Manjaka Ankadikely Ilafy hoy ihany ity Sefo fokontany ity
dia ny halatra moto. Olona mipetraka eny kanefa tsy misoratra anaty fokontany
akory ireo mpanao azy ary rehefa hosamborina dia tsy hita izay alehany satria misy mampandre
mialoha. Izany hoe efa mialokaloka eny izany ireo mpangalatra moto.

Araho hatrany ny vaovao samihafa ao amin’ny https:ledefi.mg

1 616 réflexions sur “Fokontany Manjaka ILAFY : HIALOKALOFAN’NY MPANGALATRA MOTO…

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *