Fitiavan-tanindrazana: FENO 76 TAONA ANDROANY NY TOLO-PANAFAHANA 29 MARS 1947

Fitiavan-tanindrazana: FENO 76 TAONA ANDROANY NY TOLO-PANAFAHANA 29 MARS 1947

Noho ny fitiavan-tanindrazana no namoizan’ireo mahery fo ny ainy tamin’ny hetsika 29 Marsa 1947 ka tsaroana ankehitriny.

Feno 76 taona anio izany ary mipetraka ny fanontaniana hoe : ” mbola ao anaton’ireo mpitondra ve izany fitiavan-tanindrazana nimatimatesan’ireo mahery fo izany? “. Anjaran’ny tsirairay no mamaly izany.

Mila ampianarina ny tanora ny tantara mba tsy ho very maina ny ran’ireo maritioran’ny fitiavan-tanindrazana. Mba tsy ho raraka an-tany ka hanjakan’ny fanjanahana amin’ny endriny vaovao indray sanatria.

Ho an’ity anio ity dia nisy ny fametrahana fehezam-boninkazo teo amin’ny fasan’ireo mahery fo teny amin’ny Mausolée Avaratr’Ambohitsaina notanterahin’ny Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA niaraka tamin’ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena ny, Jeneraly RAKOTOARIJAONA Josoa notronon’ireo tompon’andraikitra samihafa eto amin’ny firenena.

Une réflexion sur “Fitiavan-tanindrazana: FENO 76 TAONA ANDROANY NY TOLO-PANAFAHANA 29 MARS 1947

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *