Filoham-pirenena sy ny fianakaviany : NANKALAZA NY NOELY TENY AMIN ‘ NY AKAMASOA

Teny amin ‘ ny Akamasoa no nankalaza ny andro Noely ny Filoha Andry Rajoelina sy ny fianakaviana tamin’ity krismasy 2023 ity. Fotoana fifampizarana hafaliana sy fizarana fanomezana ny andro Noely toy izao hoy ny Filoha.Fotoana iray ankasitrahana ny ezaka ihany koa. Nisy ny fanomezana avy amin’ny Filoha mianakavy , ka ny ankizy latsaky ny 13 taona dia hahazo kojakojam-pianarana sy kilalao , zaraina any am-pianarana. Ireo 13 taona miakatra hatramin’ny kilasy famaranana kosa dia hahazo akanjo avy amin ‘ny vadin’ny Filoham-pirenena.

Ireo mpampianatra niandraikitra ny fampianarana ny ankizy tamin’ny mitabe natao tamin’ ny Investiture koa dia nahazo fanomezana manokana avy amin’ ny Filoha sy ny fianakaviany.Rehefa misy ny lanonana goavana eto amin ‘ ny firenena , dia mandray anjara hatrany ny ankizy eto amin ‘ ny Akamasoa , ary tsikaritry ny vahiny tonga eto fa manana talenta ireo ankizy ireo ary tena mahay. Notsiahivin ‘ ny Filoha ihany koa fa hotokanana amin ‘ ity taona ity ny Centre de Formation lehibe ato amin ‘ ny Akamasoa ho an ‘ ny tanora rehetra ka hisy ny fampitaovana izany.

Ny olona iray dia tokony tsy vesatra ho an’ ny firenena na ny ankohonany fa kosa tokony hitondra vahaolana ho an’ ny tokantrano ary tsy ho vesatra ho an’ ny firenena ihany koa. Rehefa mahazo fiofanana dia afaka miatrika asa. Rehefa miasa dia resy ho azy ny fahantrana. “ Hanao ezaka rehetra aho hanafaka ny vahoaka rehetra anaty fahantrana “ , hoy ny Filoha namarana ny lahateniny

.

➡️Suivez l’actualité sur notre site Web https://ledefi.mg

217 réflexions sur “Filoham-pirenena sy ny fianakaviany : NANKALAZA NY NOELY TENY AMIN ‘ NY AKAMASOA

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *