Filoham-pirenena Andry RAJOELINA : VOAPETRAKA AMIN’NY TOERAN’NY MAHA FILOHAM-PANJAKANA AZY

Tontosoa soa aman-tsara androany 16 desambra ny lanonana ofisialy nanatanterahana ny Investiture ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina. Voapetraka amin’ny toeran’ny maha filoham-pirenena azy izany, ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina. Manomboka androany no manomboka ny fotoam-piasany.

Nanomboka tamin’ny 10 Ora 22 ny lanonana teo Mahamasina ka ny   Filohan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana (HCC), Rakotoarisoa Florent no nanokatra ny lanonam-pitsarana.  Namaky ny didim-pitsarana, ny Lehiben’ny Mpirakidraharaha eo anivon’ny HCC izay namakiana ampahibemaso ny didim-pitsarana laharana faha- 8 HCC/ 2023 milaza ny fandresen’ny Filoha Andry Rajoelina. (58,96%). Taorian’izay dia niroso tamin’ny fanaovana fianianana .

Ny  Jeneraly Marcel Ranjeva lehiben’ny mariboninahim-pirenena kosa no nampisalotra ny mariboninahim-pirenena “Grand Cordon” ny Filoha vaovao.

10h35 : Nipoaka ny tafondro marika fa vita ny fampisalorana ny mariboninahim-pirenena ny Filoha. Izay midika fa tafapetraka amin’ny toerana ny Filoham-pirenena vaovao

– 10h39 : Nanao Sonia ny firaiketana ny fianianana ny Filoha Andry Rajoelina. Ny mpikambana (miisa 9) eo anivon’ny HCC kosa nanao sonia ny firaiketana an-tsoratra an’izany fianianana izany.

– 10h48 : Fametrahana ny fitombokasem-panjakana amin’izany fianianana sy ny firaiketana an-tsoratra izany, ataon’ny minisitry ny Fitsarana sady mpitahiry ny fitombokasem-panjakana Landy Mbolatiana Randriamanantenasoa.

– 10h53 : Famakian’ny lehiben’ny Mpirakidraharaha ny fitanana an-tsoratra ny lanonam-pitsarana

– 10h57: Fanolorana dika mitovy ny fianianana sy ny fitanana an-tsoratra nataon’ny Filohan’ny HCC ho an’ny Filoha Andry Rajoelina

– 10h59 : Teny fohy nataon’ny Filohan’ny HCC izay nirariany soa sy nitsofany rano hahavita antsakany sy andavany ny asa miandry ny Filoha vaovao ary nanomezany andian-teny tao amin’ny Salamo.

– 11h03: Teto kosa no nandray fitenenana ny Filoham-pirenena vaovao . Isan’ny tena notsindriany tamin’ny lahateniny dia ny fisokafana , tsy hanilikilika izy ary tsy mifidy finoana. Afaka miara-dia ary mifanolo-tanana ny rehetra izay te hiara-hampandroso.

Fa isan’ny notsidriny koa fa nitombo ny fitokisan’ny Malagasy azy raha noharina tamin’ny taona 2019. Izany hoe niampy 1.000.000 ny olona nifidy azy.

Hanakaiky kokoa ny vahoaka malagasy aho, hoy izy, ary hijery kokoa ny lafin’ny sosialy.

Hisongadina kosa ny ady amin’ny kolikoly ary ho avy isika hiady amin’ny gaboraraka.

« Nisafidy ny fanohizana ny asa efa natomboka sy ny filaminana ary ny fandrosoana ny vahoaka malagasy. Hanao ny ezaka rehetra aho ao anatin’ny 5 taona, mba hanohizana ny asa goavana natomboka sy hanakaiky ny vahoaka ary indrindra hampandroso ny firenena amin’ny alalan’ny fototra telo laharam-pahamehana dia ny maha olona sy ny indostria ary ny fitondrana tsara tantana », hoy ny Filoha Andry Rajoelina.

Tsy nohadinoiny kosa ny nankasitraka sy nisaotra ny vahoaka malagasy na ny nifidy azy na ny tsy nifidy azy. Filohan’ny malagasy rehetra aho ary hampandroso ny Malagasy rehetra.

Isan’ny nanamarika ity lanonana teto Mahamasina ity ny fahatongavan’ireo filoham-pirenena vahiny sy ny iraky ny firenena avy any ivelany. Tonga nanotrona ity lanonana ity koa ny avy amin’ny FFKM sy ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena Christine Razanamahasoa.

Lanonana niavaka, mendrika, no azo amintinana azy. Anisan’ny nanamarika ny seho teo Mahamasina ihany koa ny  fisarihana nahazoana tokantrano iray trano fonenana eny amin’ny Immeuble Mora Lake Village Ivato ary naseho ampahibemaso ny fanomezana izany miaraka amin’ny fanalahidy.

Tojo RAMILIANTA

279 réflexions sur “Filoham-pirenena Andry RAJOELINA : VOAPETRAKA AMIN’NY TOERAN’NY MAHA FILOHAM-PANJAKANA AZY

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *