Filoha Rajoelina teny Andoharanofotsy : “MATAHOTRA NY ADVERSERA VAO MIJORO AHO “

Sambany no nidina ifotony namakivaky araben’ Andoharanofotsy i Andry Rajoelina. Depiote vitsivitsy niampy Governora vitsivitsy no tazana niara-dia taminy. Teny koa ny Filohan’ny Antenimierandoholona. Tsy hita kosa ny filohan’ny Antenimieram-pirenena.

Raha fitinina amin’ny teny iray : demonstration de force na fampisehoan-kery. Mbola any aminy tokoa ve ny hery sy ny vahoaka ?

Kabary mifono fampitan-kafatra ho nataony. Na tsy nilaza nivantana aza izy dia fantatra mazava fa niantefa tany amin’i Siteny ny hafatra. ” Fantatro daholo ny fahalemen’ireo adverserako ireo. Fantany tsara koa aho. Izaho efa Champion ary fantatro fa misy Champion koa ao saingy isika tsy maintsy mandresy”, izay raha fintinina ny lahatenin’ny Filohampirenena Andry Rajoelina.

Tsy mbola resy tamin’ny fifaninana izay nataoko aho , hoy izy. Raha vao izao lehilahy izao no miaka-tsehatra dia latsaka pipy mihitsy ny adversera, hoy izy.

Tsiahivina fa talohan’izao dia efa nanao fitetezam-paritra koa Siteny ary nilaza fa izy hono no tena Champion…

Une réflexion sur “Filoha Rajoelina teny Andoharanofotsy : “MATAHOTRA NY ADVERSERA VAO MIJORO AHO “

  • 4 septembre 2024 à 14h16
    Permalien

    Heya i am for the primary time here. I found this board and I in finding It really helpful & it helped me out much. I am hoping to give one thing again and aid others such as you aided me.

    Répondre

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *