Filoha Andry RAJOELINA : NITOHY TANY NOSY BE, BEALANANA, ANALALAVA NY FIZARANA KIT SOLAIRE SY FAMPANDROSOANA ENY IFOTOANY

Tany amin’ny Distrikan’i Nosy Be, sy ny Distrika Analalava ary ny Distrika Bealanana ny Filoha Andry Rajoelina ny 23 Mey 2024. Nandritra izany dia misy ny toromarika nomena mikasika ny karine-pokontany ka tokantrano iray mahazo karine-pokontany iray, hahamora ny fizarana ny Kit Solaire maimaimpoana amin’ny Tetikasa Hazavana ho anao. Teo ihany koa firesaana ny fanamboarana ny lalana Bealanana- Antsohihy. Ny hopitaly manara-penitra ao Analalava ary ny fisian’ny Sidina iraisam-pirenena Dubai-Nosy Be….

NOSY BE

Ho an’ny distrika Nosy Be : dia hotokanana afaka efa-bolana ny STADE. Ny herinaratra kosa dia efa misy parc solaire 2Mgw fa tsy ampy izany ka ametrahana Parc solaires 5Mgw eto Nosy Be. Efa natomboka tamin’io omaly io ny fizarana ny Hazavana ho anao ary tsy maintsy mahazo izany ny tokantrano rehetra. Toerana fizahan-tany Nosy be ka natao ny fifampiraharahana tany Dubai, ka hisy ny sidina miala any Dubai mankaty Nosy Be ka ho lasa avo folo heny ny mpitsidika eto Nosy be Ny Malagasy te ho any Dubai dia afaka mandray sidina avy eto Nosy Be ihany koa.

BEALANANA

Hoan’ny teto Bealanana kosa dia nahazo ny anjarany tamin’ny Fizarana ny Hazavana ho anao. Fantatra ihany koa fa atao goudron sy asiana jiro manarapenitra ny lalana an-tampontanana eto Bealanana, ho asiana trottoir dia atao avenue. Efa hita ny famatsiambola hanamboarana ny lalana avy eto Bealanana mankany Antsohihy ary ho atao goudron. Efa vita ny appel d’offre hoan’io lalana 100km io. Lafin’ny fahasalamana, dia efa ho avy ny fitaovana rehetra ilaina ao amin CSB2 ka atao tonga faran’izay aingana ary hojerena akaiky ny recrutement an’ireo benevoles. Misy ny maternité hafahan’ny renimpianakaviana miteraka. Misy ihany koa ny fitehirizam-baksiny ao ary maimaimpoana ny vaksiny hoan’ny ankizy. Hisy ihany koa ny fananganana ” centre de formation agricole” hahafahana miofana amin’ny fambolena.

ANALALAVA

Ho an’ny teto amin’ny distrikan’Analalava, dia nanambara hotokanana tsy ho ela ny Hopitaly manara-penitra napetraka teto. Nametrahana hopitaly goavana eto mba ahafahan’ny vahoaka misitraka fitsaboana manara-penitra. Ny fitaovana atao ao dia farak’izay raitra (radiologie, laboratoire…) Efa betsaka ny mpiara miombon’antoka avy any ivelany mba hampiasa vola eto amintsika ka ny faritra Sofia atao laharam pahamehana amin’ny tourisme dia ho isan’ny lohalaharana amin’ny toerana hampiasain’ireo mpamatsy vola ity Faritra ity. Toy ireo distrika hafa natomboka tamin’ity omaly ity ny fizarana Hazavana ho anao. Atao ny recensement (recoupement liste électorale et registre) ka rehefa madio ny liste dia zaraina ny carnets fokontany ka izay manana carnets rehetra dia ahazo kits solaire avokoa.

Patrice RAVELOSON

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *