Filoha Andry Rajoelina : ” NANAO ANTSO HO AN’NY REHETRA HANDEHA HIFIDY…”

Teny amin’ny Biraom-pifidianana tetsy Ambatobe no nanatanteraka ny adidiny, tamin’ny fandatsaham-bato amin’izao fifidianana Solombavambahoaka, ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina io maraina io.

Taorian’izay dia nitafa fohy tamin’ny Mpanao gazety izy. Nandritra izany no nanaovany antso avo ho an’ny rehetra mba handeha hifidy hanefa ny adidiny androany. ” Zava-dehibe ho an’ny fiainam-pirenena ny fifidianana solombavambahoaka. Antoky ny Demokrasia ary eny amin’ny Lapan’ny Antenimierampirenana no anjakan’izany amin’ny alalan’ny fandaniana ireo lalàna samihafa entina hampandroso ny firenena”, hoy ny Filoham-pirenena.

Patrice RAVELOSON

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *