Fifidianana Depiote – Tana I: 𝗜𝗦𝗔𝗡’𝗜𝗥𝗘𝗢 𝗡𝗔𝗛𝗔𝗧𝗔𝗙𝗔𝗣𝗘𝗧𝗥𝗔𝗞𝗔 𝗡𝗬 𝗔𝗡𝗧𝗢𝗧𝗔𝗡-𝗧𝗔𝗥𝗔𝗧𝗔𝗦𝗜𝗡𝗬 𝗞𝗢𝗔 𝗶 𝗔𝗡𝗗𝗥𝗜𝗔𝗠𝗔𝗡𝗔𝗡𝗔 𝗥𝗔𝗡𝗗𝗥𝗜𝗔𝗠𝗔𝗥𝗢 𝗧𝗢𝗨𝗦𝗦𝗔𝗜𝗡𝗧 𝗱𝗶𝘁 𝗕𝗢𝗟𝗢

Kandida lisitra “indépendant” isan’ ny mandray anjara eo anivon’ny Boriboritany TANA I, amin’ny fifidianana Solombavambahoka amin’ny volana Mey 2024 izao koa i Toussaint dit BOLO & Co 𝗻𝗮 𝗔𝗡𝗗𝗥𝗜𝗔𝗠𝗔𝗡𝗔𝗡𝗔 𝗥𝗔𝗡𝗗𝗥𝗜𝗔𝗠𝗔𝗥𝗢 𝗧𝗢𝗨𝗦𝗦𝗔𝗜𝗡𝗧.

Anio 08 Aprily 2024 tamin’ny 11ora teo no voapetraka tetsy amin’ny OVEC TANA I ny dosie manambara izay firotsahan-kofidiany izay, amin’ny listra mahaleotena na Indépendant.
Ny tenany moa izay nisafidy ny ho KANDIDA MAHALEOTENA araka ny fangatahan’ireo mpomba azy 𝗮𝗼 amin’ny BORIBORITANY Voalohany.

RAZANAKOLONA HARILALA ARNAUD kosa no lisitra faha-2 miaraka aminy amin’izao filatsahan-ko fidiana solombavam-bahoaka izao.

“Kamboty izahay nandritra izay 5 taona 𝗶𝘇𝗮𝘆, tsy mba nahita sy nahatsapa izany hoe nisy nisolo tena ny vahoaka izany ka izay no tena nandrisika ahy hirotsaka. Tsy mba nanana izay mba SOLOMBAVANAY izany izahay teto “, hoy #BOLO raha naneho ny heviny.

Tsara ny mampahafantatra fa #BOLO sy ny mpiray lisitra miaraka aminy dia efa fantraty ny Boriborintany voalohany amin’ny Asa Soa maro izay efa nataon’izy ireo hatramin’izay teo amin’ny fiaraha-monina tamin’ny lafiny rehetra, na fanabezana, na fandriam-pahalemana,na fantanjahan-tena, etc…

©️𝗣𝗮𝘁𝗿𝗶𝗰𝗲 𝗥.


Cet article est également disponible sur nos plateformes : https://ledefi.mg, LinkedIn (LeDéfi Madagascar), Facebook (Ledefi-madagascar) et WhatsApp (LeDéfi Madagascar ) / Contact Presse Ledefi.mg : +261 32 69 185 43 – Mail : contact@ledefi.mg

184 réflexions sur “Fifidianana Depiote – Tana I: 𝗜𝗦𝗔𝗡’𝗜𝗥𝗘𝗢 𝗡𝗔𝗛𝗔𝗧𝗔𝗙𝗔𝗣𝗘𝗧𝗥𝗔𝗞𝗔 𝗡𝗬 𝗔𝗡𝗧𝗢𝗧𝗔𝗡-𝗧𝗔𝗥𝗔𝗧𝗔𝗦𝗜𝗡𝗬 𝗞𝗢𝗔 𝗶 𝗔𝗡𝗗𝗥𝗜𝗔𝗠𝗔𝗡𝗔𝗡𝗔 𝗥𝗔𝗡𝗗𝗥𝗜𝗔𝗠𝗔𝗥𝗢 𝗧𝗢𝗨𝗦𝗦𝗔𝗜𝗡𝗧 𝗱𝗶𝘁 𝗕𝗢𝗟𝗢

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *