Fifidianana

Ben’ny tanàna Betafo: TOKONY NATAO ANDRO ALAHADY NY FIFIDIANANA MBA HAHABETSAKA NY TAHAN’NY MPIFIDY

Raha araka ny resaka izay nifanaovana tamin’ny ben’ny tanàna Betafo momban’ny resaka fifidianana dia manahy mafy izay ny amin’ny tsy fisian’ny fifidianana raha ny amin’ity taona ity. Maro hoy izy ny antoko politika fa mbola tsy nisy nanao izany “congrès” izany izay milaza ny filatrahany ny tsirairay.

Raha ny heviny manokana dia mangataka izy , fa tokony atao alahady hoy izy ny andro hanatanterahana ny fifidianana, mety maro amin’ny olom-pirenena hoy izy ny tsy hafoy fotoana andehanana hifidy izay ka mety hampihena ny “taux de participation” ny olona handeha hifidy izay andro andavanandro hanaovana ny fifidianana.

Eo amin’izay resaka fifidianana izay hatrany raha ho an’ny kaominana Betafo manokana dia navitrika dia navitrika ny olona nisoratra anarana tao anaty lisim-pifidiana sy nanavao izay anarana izay tao anatin’ny lisitry ny mpifidy, nohon’ny fanentanana mavitrika nataon’ny kaominina no nitombo izay taham-pavitrihina izay .

Olivia R.

7 réflexions sur “Fifidianana

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *