FIBA 3×3 SY U19 WORLD CUP : AMIN’NY CANAL +

🏀FIADIANA NY AMBOARA ERAN-TANY FIBA 3×3 SY U19 WORLD CUP

HO HALEFA MIVANTANA AMIN’NY CANAL +

✅Vononana tanteraka ny mpilalao madrafitra ny ekipam-pirenena taranja Baskety ANKOAy,sokajy zandriny U19 sy ny 3X3 , fanazavana nomen’ny mpanazatra nasionaly RANDRIA Aimé izany , nandritra ny fampafantarana natao ny Canal+ , fa ho halefa mivantana ny lalao rehetra mandritra io fotoana, teny foiben’ny canal plus Andraharo ny Alarobia 25 mey 2023

✅Ny amboara eran-tany sokajy olona telo dia hatao ny 30 may – 4 Jona 2023 any

Vienne Autriche,ny sokajy zandriny U19 kosa dia ny 24jona – 2jolay 2023

Debrecen HONGRIE. Anisany manampy betsaka ireto ekipam-pirenea Malagasy ireto ny canal plus ary ho fanomezana fahafaham-po ny mpakafy dia alefa manontolo amin’ny canal evenement chaine 19 izany , araka fanazavana nomen’ny Tale Jeneraly Ramatoa RAZAFINDRAKOTO Onjatiana .

✅Nandritra izany ihany koa nilazan’ny ity orinasa ity fa misy tolotra manokana ho an’ireo mpajifa ny canal plus dia festival de cadeaux, izay misy ny maimaimpoana amin’ny fidirana ny Application ,izay afahana mahazo fandaharana hatrany 25000 , ary 15 andro fanampiny. Tsy adino ihany koa ireo sarimihetsika Malagasy toy NOVEGASY sy fandraisana anjara fampihomehezana atolotry ny Tsiky tsidika izay efa mandeha amin’ny caal plus. Farany dia ny loka lehibe hafahana mahazo ny zotra mankany Paris ho an’olo-droa mitsidika ny foibe canal plus, ary ny loka hazahoana fahitalavitra izay miisa 100 no zaraina ho an’izay tsara vintana.

Andry Rakotonirainy

402 réflexions sur “FIBA 3×3 SY U19 WORLD CUP : AMIN’NY CANAL +

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *