FIA

FIA: TSENABE HO ENTINA HANOMEZANA SEHATRA HO AN’IREO MPISEHATRA AMIN’NY JONO – FIOMPIANA – FAMBOLENA

Nisy ny fihaonana tamin’ireo mpandray anjara ny hetsika “Foire Internationale de l’Agriculture de l’Elevage et de la Pêche” androany tetsy amin’ny hazovato Forello Tanjombato.
Hetsika fampiratiana sy varotra izay ho tanterahana ny 21-22-23-24 Septambra 2023 ho avy izao izay atao eny amin’ny hazovato Forello Expo Tanjombato .

Manana ny mampiavaka azy ity “Foire Internationale de l’Agriculture de l’Elevage et de la Pêche” andiany faha-5 ity dia ny fampahafantarana ny mpandray anjara ireo vokatra hanampiana izay misehatra amin’ny resaka jono sy fiompiana ary ny fambolena. Eo ny tanjon’ny mpikarakara dia mba hanasana mpandray anjara any ivelany entina hifanakalozana ara-kevitra, ara-barotra ho an’ireo mpandraharaha malagasy ary koa hafahana mivelatra hanapariahana ireo vokatra eto an-toerana.

Maro amin’ireo mpisehatra madinika ireo no sahirana amin’ny resaka ara-barotra ka izay no antom-pisian’ny hetsika fampiratiana sy varotra tahak’izao ho entina hampahafantarana, hanatsarana ary hanampiana azy ireo.

Tsy mijanona eto Antananarivo ihany anefa ny fandraisana anjara fa omena sehatra ihany koa ny avy any amin’ny faritra ka efa misy ny fampahafantarana momba izany. Ho hita ao avokoa ny mpandraharaha izay tena madinika indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra hafan’izy ireo mifanakalo hevitra sy mifandray ara-barotra .

Manodidina ny 400 ny tranoeva mandray anjara amin’ity “Foire Internationale de l’Agriculture de l’Elevage et de la Pêche” 2023 andiany faha-5 ity .

436 réflexions sur “FIA

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *