FFKM: MIANTSO NY FAMPITSAHARANA NY FIFAMPIHANTSIANA

Nifarana androany 31 Martsa 2023 ny fihaonambe izay nataon’ny FFKM teny amin’ny FOFIKRI ILAFY .

Nisy ny fanambarana izay nataon’ny filoham-piangonana efatra mirahalahy. Tsapa fa nitombo ny fifampihatsiana eo amin’ny samy mpisehatra poltika tato ho ato ka aoka hatsahatra izany hoy ny voalazan’ny fehin-kevitry ny FFKM androany.

Hiditra amin’ny fanaraha-maso ny fifidianana ihany koa ny FFKM.

Nisongadina tanatin’ny fanambarana ihany koa ny fitandroana ny rariny sy ny hintsiny eo amin’ny fiaraha-monina ka anisan’izany ny ady amin’ny kolikoly sy ny ady amin’ ireo fihetsika mendrika fanamparam-pahefana .

Nambaran’izy ireo koa ny tokony handraisan’ny rehetra andraikitra hisoratra anarana sy hanamarina ny anarany ao anatin’ny lisi-pifidianana.

Ny hijerena ny fanatsarana ny lala-pifidianana mba hisian’ny fifidianana marina sy madio ary mangarahara no tanjon’ny FFKM.

Olivia R.

#FFKM
#fehin_kevitra

Araho ny vaovao hafa ao amin’ny https://ledefi.mg

218 réflexions sur “FFKM: MIANTSO NY FAMPITSAHARANA NY FIFAMPIHANTSIANA

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *