FARITRA AROVANA MENABE ANTIMENA

FARITRA AROVANA MENABE ANTIMENA:

notolorana vahaolana maharitra ireo mpifindra monina ao anatin’ny faritra arovana

Manoloana ireo mpitsoa-ponenana tonga manorim-ponenana sy mivelona ao amin’ny faritra arovana Menabe Antimena dia niara-nikaro-bahaolana maharitra ny Fitondrampanjakana malagasy amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny fanajariana ny tany sy ny fananan-tany, ny Minisiteran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy, ny Minisiteran’ny Fambolena sy fiompiana ary ireo mpiara-miombona antoka maro samy hafa indrindra ny USAID mitondra ny famatsiana avy amin’ny vahoaka amerikana.

Manodidina ny 1700 ireo mpitsoa-ponenana, izay ahitana ankohonana 500 eo ho eo, tsy maintsy afindra toerana hiala ao amin’ny faritra arovana Menabe Antimena ho fiarovana sy fampanjariana ireo harena voajanahary any an-toerana izay miantoka betsaka ny firindran’ny tontolo iainana, tsy eto Madagasikara ihany fa ho an’izao tontolo izao mihitsy eo anatrehan’ny fiovaovan’n’ny toetrandro. Tsy hoesorina na horoahina hiala ao fotsiny anefa izy ireo fa homena velaran-tany honenana, hanaovana fambolena sy fiompiana ho foto-pivelomana.

Velaran-tany mirefy 5000 ha ao Bezeky, eo anelanelan’ny kaominina ambanivohitra Befasy sy Analaiva, no hamindrana toerana azy ireo, amin’ny alalan’ny tetikasa “titre vert”.

Ireo tokan-trano 500 tsirairay avy dia hotolorana Velaran-tany 04 ares hanorenana trano fonenana sy Velaran-tany fambolena sy fiompiana 02 ha ho foto-pivelomana. Fambolena voanjo, voly avotra isan-karazany toy ny vomanga sy mangahazo, fiompiana akoho sy osy aman’ondry no ironan’ny tetikasa ka hisy kaoperativa hapetraka andrindra ny tsenam-barotra. Haorina ho tonga tanàna vaovao ny toerana ka hisy ny fametrahana tobin’ny zandary, toeram-pitsaboana, toeram-pampianarana, fametrahana fotodrafitrasa ahazoana rano fisotro madio. Miandalana ny tetikasa ary mbola mila fanamafisana ny famatsiam-bola izany.

Velaran’ala manodidina ny 5000 ha no simban’ireo mpitsoa-ponenana ireo ao amin’ny faritra arovana Menabe Antimena. Izany dia vokatry ny fampiasana ny hazo amin’ny fiainana andavanandro sy fampiharana ny voly amin’ny alalan’ny tavy. Tsy maintsy ho arenina amin’ny alalan’ny fambolena ala izany.

Marihina fa mpitsoa-ponenana vokatry ny hain-tany sy kere mianjady amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy ireo.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *