Fandraisana ireo niharan’ny herisetra: VONONA IREO MPIOFANA

🟢🟢VONONA TANTERAKA IREO MPIOFANA FANDRAISANA IREO OLONA IHARAN’NY HERISETRA

✅Herisetra mifototra amin’ny maha lahy sy ny mahavavy, mbola ady ngovana ho antsika eto Madagasikara, ny Minisitry ny mponina SOAFILIRA Princia miaraka amin’ireo ekipa eo anivon’ny Minisitera dia nanao ho vaidohan-draharaha iadiana amin’ity herisetra amin’ny hendrin’ny rehetra ity. Nametraka ihany koa paika hisorohana izany , anisan’izany ny fanomezana fiofanana ireo mpisehatra miandraikitra sy mandray ireny olona iharan’ny herisetra ireny,

✅Eto Madagasikara dia saika ny antsasa-manilan’ny vehivavy no iharan’io tranga io ary ny 45% amin’izy ireo no mahita fa ara-dalàna izany (ENSOMD 2012-2013).

✅30% n’ny vehivavy no iharan’ny herisetra ara-tsaina, ara-pananahana, ekonomika ary ara-batana.
Ny herisetra ara-tsaina (psychologique) no betsaka indrindra 19%.
Ny herisetra ara-batana ny 12%.
Ny herisetra ara-nofo sy ara-ekonomika dia iaretan’ny 7% sy 5% n’ny vehivavy.
Anio Alarobia 10 Mey dia nisy atrikasa notanterahina teny Ankorondrano, nandraisan’ireo mpiantsehatra ara-tsosialy eny anivon’ny ivo toerana fihainoana sy fandraisana an-tanana ireo olona niharan’ny herisetra eto amin’ny faritra ANALAMANGA ( Antananarivo, Bongatsara,Manjakandriana, Manjakaray,Tsimbazaza,Mahamasina)), ny ekipa eo anivon’ny Ministeran’ny mponina ( DGPF/DPFE/DGM) , ny Fikambanana Fitia, ary nanohana ny Vondroa Eropeanina.

✅Ho tohin’ny fiofanana iza efa nomena azy ireo ny 03 ka hatramn’ny 05 mey teo ,izao atrikasa izao , nijerena manokana ny fomba hoenti-miasa amin’ny andraisana an-tanana ireo hiaran’ny herisetra.

✅Asa saropady ny fandraisana ireo olona iharan’ny herisetra, izay tsy mitovy amin’ny hafa , ka tsy maintsy mila tosika ara moraly mba hamerenana ny fiainany toy teo aloha , izany indrindra no nanaovana dinika narahina torohevitra sy toro-hay ho an’ireo ekipa mandray an-tanana ireny iharan’ny herisetra ireny tamin’izao atrikasa izao.

✅Nandritra izao atrikasa izao ihany no nanolorana certificat ho an’ireo nandray anjara rehetra tamin’ny fiofanana.

Tsy herisetra ara-batana na ara-nofo ihany anefa no azo hatao hoe herisetra fa misy amn’ny endrika samihafa, ho fampafantarana manokana dia ireto tsara ho fantatra amin’izany :

🟩NY VOKADRATSIN’NY HERISETRA

▶️Fikorontanana ara-pihetseham-po sy ara-pirindran-tsaina (traumatisme émotionnel et psychologique)
Olana ara-pihariana (difficultés économiques).
Fitokana-monina sy fihiritana noho ny fanalam-baraka (exclusion et stigmatisation).Izany rehetra izany dia mitarika any amin’ny vahaolana ratsy indrindra: ny fahafatesana noho ny takaitra, famonoan-tena, na famonoana olona.

🟩IREO KARAZAN’NY HERISETRA MIFOTOTRA AMIN’NY MAHA-LAHY NA MAHA-VAVY SY ARA-KARAZANA FAHITA ANDAVAN’ANDRO

▶️HERISETRA ARA-BATANA
Vono sy ratra iniana atao (Crime Art 309-310 CPM)
Vono sy ratra tsy niniana (Art 320 CPM).
Herisetra sy teny mahery + herisetra maivana (VVF Art 311 CPM)
Fanapoizinana (Art 301 CPM).
Fanomezana taharo manimba fahasalamana (Art 317 al 7 CPM)
Vono sy ratra atao amin’ny vehivavy mitondra vohoka (Art 312 bis CPM)
Vono olona iniana (Art 295 CPM)
Volo olona tsy niniana (Art 319 CPM).
Vono olona nomanina (Art 296 CPM)
HERISETRA ARA-NOFO
Fanaovana firaisana ara-nofo an-tery, na tontosa na tsia, tsy nankatoavin’ny ankilany/sy/na/misy tsindry (contrainte).
Fanolanana (Art 332 CPM)
Fikasana hanolana (Art 332 CPM)
Fifoterana (Art 335 CPM)
Fanao mahamenatra sy manala baraka. (Art 331 CPM).
Fanodinkodinana ara-nofo (Art 33 bis CPM).
Fivelomana amin’ny fivarotan-tenan’ny hafa (Art 334 CPM)
Fihetsika mamoafady amin-jazana mitovy na tsy mitovy fananahana (Art 331 al 3 CPM).
Fizahan-tany mamoafady (Art 333 CPM).
Famporisihina zaza hiliba. Eto dia sokajiana ho zaza ny 21 taona midina. (Art 331 CPM).
Fampivarotan-tenan’ny ankizy (Art 334-335 CPM).
Famarinana olombelona (Traite d’êtres humains. Loi n°2014-040 ny 25 Jan 15 miady amin’ny famarinana olombelona)
Fanalan-jaza (Art 317 CPM).
Sary na horonan-tsary mamoafady maneho zaza (Art 346-347 CPM)

▶️HERISETRA ARA-TSAINA
Fijangajangana (Art 336 CPM)
Ompa, ozona, fanalam-baraka (Art 23-24 lalàna 2016-029 ny 14/07/16 Code de communication).
Ambana (Antsoratra – tsy mitonona anarana – an-tsary – mari-pamantarana -… ) (Menace Art 305 CPM)
HERISETRA ARA-PIHARIANA (ÉCONOMIQUE)
Fanimbana fananana manokana (Art ord 60-025 ny 04/05/1960)
Fandaozana tokantrano/ankohonana/ara-pitaovana/ara-bola (Art 1 ord 60-025 ny 04/05/1960).
Tsy fanatanterahana didim-pitsaràna.
Famarinana olombelona.

▶️FANAMBARANA IOMBONAMBEN’NY FIRENENA MOMBA NY ZON’OLOMBELONA (DUDH 1948)
Art 2: Voarara ny fanavakavahana, fanilikilihana mifototra amin’ny maha-lahy na vavy.

Andry Rakotonirainy

197 réflexions sur “Fandraisana ireo niharan’ny herisetra: VONONA IREO MPIOFANA

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *