Fanaratsiana: NIVOAKA TAMIN’NY FAHANGINANY NY SEG

Naneho hevitra mikasika an’ilay fanaratsiana azy sy ny zanany ny SEG na ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena Gelle Serge.
Ananako porofo hoy izy ny nanaovan’ilay zanany ny fanadinana efa imbetsaka ka io izy vao afaka tamin’ny phase voalohany. Miantso ireto olona ireto hiala tsiny ny SEG saingy tsy
terena akory izy ireo. Na manana zo hitory noho ny fanalam-baraka aza ny SEG dia tsy hanao izny satria tsy toetrako izany hoy izy.
Ity arahitsika eto ambany ity ilay commentaire avy amin’ny SEG:

“Ampanetrentena tompoko no ilazako miaraka @ porofo rehetra fa in’enina (6 fois)nanao concours io zanako io de izao vo mba afaka 1 ère phase, niezaka fona izy nanao cours nandritra ny 6 taona zay, 29 ans izy @ volana avril zao.

Chef d’état major gendarmerie ny asako nandritra ny 3 taona sy tapany, depuis 2018 talohany nahavoatendry ahy ho SEG, azo porofoina ao @ liste ny candidats ny fahamarinany maha candidat azy nandritra ny 6 taona lasa izay, ka anjaranao tompoko no mandinika ny vava avoakanao fa za manana ny éthique sy déontologie…

Afaka mitory koa enao de ho hitantsika ny marina, fa tadidiko fa afaka mitory koa ny tenako pour diffamation na dénonciation calomnieuse. Tsy toetrako anefa izany fa aleo enao sy Andriamanitra no hiresaka de misaotra anao ny SEG satria nomelohanao sahady izahay mianaka na de tsy fantatrao akory aza ny TANTARAnay (présomption de culpabilité) otrany nataony sasany tamiko t@ 2002.

Mankasitraka anareo namana rehetra mahatsapa ny fahamarinana tompoko ny Tompo anie homba anareo rehetra eny fa na io namantsika mpankahala sy manosopotaka io, mivavaka ho azy isika mba ho diovin’ny Fanahy Masina ny sariny fa mampalahelo izy AMEN

0341401980 sy 0343759119 ny numéro ko raha toa ka mba hiala tsiny enao satria nandainga sy nanoso- potaka olona tsy meloka akory, fa tsy voatery kosa aaan.
Mino za fa olon- kendry natera- behivavy enao ka raha mpankahala anay mianaka aza enao de mba aza alaina baraka kosa ny ray sy reninao nahitanao masoandro fa mampalahelo ny fanaovanao azy ireo satria tsy fidiny azy ireo ny toetra asehonao izao.
Mivavaka ho anao fona ny SEG eee, sans rancune, merci!!! Namanao fona ny SEG ary ilainao fona izy na tsy androany aza”.

Une réflexion sur “Fanaratsiana: NIVOAKA TAMIN’NY FAHANGINANY NY SEG

  • 12 septembre 2024 à 16h49
    Permalien

    Spot on with this write-up, I actually suppose this web site wants far more consideration. I’ll in all probability be once more to learn way more, thanks for that info.

    Répondre

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *