Cheneso: NITOMBO HERY

Araky ny vaovao anio talata 24 janoary 2023 tamin’ny 10 ora maraina avy amin’ny Service Meteo , dia nitombo hery ka lasa rivodoza indray i #CHENESO. Tamin’ny 09 ora teo dia tany amin’ny 190 Km andrefana somary avaratra andrefan’i Morondava no nisy ny foibeny 65 Km/ora ny rivotra miaraka aminy arahina tafiotra manodidina ny 90 Km/ora manakaiky ny foibeny. Nikisaka nianavaratra andrefana izy ka nahafaka 06 Km/ora.

☑️Tsy ahiana ny hiverenany an-tanety fa kosa hivoatra any amin’ny maherin’ny 100 Km miala ny morontsiraka izy ato anatin’ny 5 andro manaraka. Araka izany dia mety ho voakasiky ny tafiotra manodidina ny 50 hatramin’ny 70 Km/ora ireo distrika amin’ny morontsiraky Menabe sy Atsimo andrefana.

📗📗 Noho izany dia entanina ireto distrika ireto mba hampihatra ny fepetra mikasika ny filazana fanairana miloko maitso : Belon’i Tsiribihina, Morondava, Manja, Morombe ary Toliara I-Ii.

☑️Mety hanatombo ny rotsakorana (40 ka hatramin’ny 80 mm/24 ora) hatramin’ny Alakamisy any Melaky, Menabe, Atsimo andrefana, Boeny, Sofia, Fitovinany ary Atsimo atsinanana. Ahiana hanampy trotraka ny takaitra efa nateraky ny rotsakora nandritra ny andro maro lasa izany.

Noho izany dia mitoetra hatrany ny fampitandremana amin’ny fahabetsahan’ny rotsakorana.

⛔️Entanina ny mpampiasa ranomasina amin’ny morontsiraka avaratra andrefana, andrefana, atsimo andrefana, atsimo ary eo anelanelan’ny Mahanoro sy Taolagnaro mba tsy hiandriaka satria mbola hikorontana ny toetry ny andro.

241 réflexions sur “Cheneso: NITOMBO HERY

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *