Betroka – Manakara : MITONDRA HAZAVANA HO AN’NY ISA-TOKANTRANO NY FILOHA ANDRY RAJOELINA

Nitohy tao Betroka sy tany Manakara ny fitsidiham-paritra nataon’ny filoha Rajoelina Andry. Araka ny nambarany ombieny ombieny dia hoe “ny hava-tiana tsy maha lavi-tany”. Tsy nisy diso anjara amin’ny fizarana ireo kits solaires ao anatin’ny tetikasa HAZAVANA HO ANAO ireo mponina tao amin’ireo toerana izay novangian’ny filoha Rajoelina.

Tao anaty lahateniny moa dia notsipihany hoe ny tanjony dia “ny hitondra hazavana ho an’ny isa-tokatrano”. Fanombohana ny fizarana ireo jiro mandeha amin’ny alalan’ny herin’ny masoandro ihany moa ny androany ho an’ireo toerana izay nandalovan’ny Filoha. Fa izany dia hitohy ary tsy hijanona raha tsy misatraka izany avokoa ireo tokantrano izay tsy manana jiron’ny Jiramana fa mampiasa jiro pétrole, na koa mampiasa labozia. “Betsaka ireo Filoha nifandimby saingy tsy nisy nitondra na labozia iray monja aza ho anareo. Fa misy Filoha iray izay mitondra jiro, mitondra hazavana isaky ny tokantrano”, hoy i Rajoelina Andry raha nitafa tamin’ireo nisitraka ny fiandohan’ny fizarana ireo kits solaires tao Manakara izy. TSY MANAVAKAHo an’ny tao Manakara ohatra dia tokantrano miisa 1.925 no nisitraka ny andiany voalohany ar fizarana ireo jiro mandeha @ herin’ny masoandro anatin’ny tetikasa

HAZAVANA HO ANAO

. Ny tao Betroka dia 1.478 ireo tokantrano voalohany nahazo izany. Mba ampirindrindra tsara ny fizarana ireo kits solaires, sy ireo tohana hafa avy amin’ny fitondra-panjakana dia toromarika nomen’ny Filoha an’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny, ary isan’izany ireo solontena-panjakana eny ifotony, ny fizarana araka ny tokony ho izy, sy haingana ireo karine-pokontany misy QR code. Ny fenitra dia karine misy QR Code iray ho an’ny tokantrano iray. Ary io karine io no ialana amin’ny fanodikodinana ireo fanampiana sy tohona ara-tsosialy ho an’ny vahoaka. Iadiana amin’ny fanilikilihana sy fanavakavahana noho ny antony samihafa ihany koa izany. Notsindrian’ny filoha Rajoelina mantsy, fa tsy manavaka ny fitondrana tarihiny. Ary tsy hisy ho diso anjara amin’ny tohana avy amin’ny fanjakana ny tokantrano tsirairay.

FANOHANANA NY FAMBOLENA SY NY FAMPANDROSOANA

Ankoatra ny fitondrana hazavana isaky ny tokantrano dia nisy ihany koa ny tohana ho an’ireo tantsaha ho an’ny tao Betroka, ary ho an’ireo kaomina ho an’ny distrikan’i Manakara, izay nozaraina nandritra ny fitsidihan’ny filohampirenana. Araka izany tantsaha miisa 150 no nozarana masomboly sy zezika tao Betroka amin’ny alalan’ny tetikasa PURPA (Projet d’urgence de de renforcement de la production alimentaire), izay tantan’ny ministeran’ny Fambolena sy ny fiompiana. Ho an’ny tao Manakara kosa dia kaomina miisa 12 no nisitraka tohana ara-bola avy amin’ny alalan’ny projet PIC III (Pôle intégré de croissance). Saika mahakasika ny fanadiovana ny tanàna, fanamboarana lalan-kely, lalàna iraisana Fokontany, na iraisana kaomina no tetikasa entina ampiasa izany vola izany.

Misy ireo kaomina an-drenivohitra, kaomina ambanivohitra, ary kaomina ambanivohitra mitambatra amina tetikasa iray no misitraka ireo fanampiana ara-bola ireo. Mitentina 29.250.000 ariary hatramin’ny 422.750.000 ariary izany tohana ara-bola izany. Isan’ny misitraka an’io ny kaomina ambonivohitr’i Manakara, ny kaomina ambanivohitr’i Lokomby, Sakoana sy Tatao, na koa ny kaomina ambanivohitr’i Namorona.

Tsimbakely

4 réflexions sur “Betroka – Manakara : MITONDRA HAZAVANA HO AN’NY ISA-TOKANTRANO NY FILOHA ANDRY RAJOELINA

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *