Atsimondrano – POLIO : NAHITANA FIAKARANY NY TAHAN’NY FANAOVANA VAKSINY

Isan’ireo Distrika mazoto amin’ny fanaovana Vaksiny ny ao Atsimondrano Faritra Analamanga. Nahitana fiakarana ny tahan’ny fanaovana vaksiny miady amin’ny polio na lefak’ozatra tao an-toerana. Satria tokoa raha tao anatin’ny efatra andro dia 78% ny zaza latsakin’ny 5taona no vita vaksiny .

Tsy eny amin’ ny tobim-pahasalamana ihany no fanaovana vaksiny ireo zaza , fa mitety tokatrano sy sekoly ary fonkotany hatreny amin´ny tsena ireo mpanentana ara-pahasalamana, araky ny nambaran-dRandriamandimby Harinirina Tiana , Tompon´andraikitra .Nilaza izy fa mbola hitohy amin’ny volana manaraka ny hetsika.

Lycia ANDRIANIRINA

12 réflexions sur “Atsimondrano – POLIO : NAHITANA FIAKARANY NY TAHAN’NY FANAOVANA VAKSINY

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *