Asa tanana: Manampy ny tanora

Tanora mahay asa tanana – tsy very mandeha ary afaka miatrika asa sy miatrika fiainana. Izany indrindra ny tanjon’ny hetsika izay karakarain’ny ONG TARATRY NY HO AVY sy ny COMMUNE BEMASOANDRO ary ny Sekoly Ambony ESCAME .

“ Fiofanana mandritra ny 3 andro izy io izay hatao maimaimpoana na gratuit. Tafiditra indrindra amin’ny fankalazana ny andron’ny vehivavy izy io. Aorian’ny fiofanana dia hisy ny famelabelaran-kevitra mikasika ny FAMORONAN’ASA izay hataon’ny Filoha Mpanorina ny ESCAME – andriamatoa Marc RAMIARINJATOVO” , araka ny fanazavan’ny Didier Florent Rene – avy amin’ny ONG Taratry ny Ho Avy – izay manana ny foibeny etsy Anosimasina Itaosy.

Hotanterahana ny faha-9 sy ny faha-10 ary ny faha-11 Marsa 2023 izao io fiofanana maimaimpoana io eny Bemasoandro ITAOSY.

#creation_d_emploi

#raphia

#escame

#ong_taratry_ny_ho_avy

#commune_bemasoandro

#journee_mondiale_de_la_femme

403 réflexions sur “Asa tanana: Manampy ny tanora

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *