Any izany… :Sao mba lasa adala

Ny ray aman-dreny, raha misy ny olana amin’ny ankizy ao an-trano na misy olana amin’ny manodidina ao an-tanana dia mandray andraikitra mba handravonana ny fifanolanana. Tena tsy mandry ny sainy raha i Koto sy Bema , ohatra ny miady ao an-trano.

            Any izany! Nijabaka indray ireo mitonina ho raiamandreny ara-drazana eto amin’ny firenena Malagasy. Fa izao aloha e: iza moa nanendry ireo olona ireo ho raiamandreny ara-drazana izany? Foko iza, vahoaka taiza ary fanakaviana iza no nanendry azy ireo? Tena tsy haiko mihitsy.

            Ny mahagaga ahy ihany koa fa tena ray aman-dreny tokoa ve? Ary tombontsoan’iza no arovany? Toa hoe misy tombontsoana antokon’olona izany arovan’izy ireo. Mba marina moa… sa?- hanangana fanjakana hafa, hono manko izy ireo, satria izay no tapaka tamin’ny fikaonan-doha nataony teny Mandriambero.

            Sao dia marary saina aloha e! Fa angaha moa tsisy fanjakana eto na misy korontana, fa dia inona loatra no nanosika azy ireo hangana fanjakana vaovao sy hafa n nefa misy ny fanjakana mijoro eto. “Sao dia mba fanjakan’ny razana sy avelo ivelan’ny tontolo tena izy sy iainantsika izao? Koa raiamandreny ara-drazana koa. Vaka ihany ny saina mahita azy ireo. olona manana ny maha izy azy ny sasany, ny sasany ray aman-dreny omem-boninahitra. Fa ny tena mampihomehy, dia ireo olona efa very seza sy naloan’ny vahoaka no mianan-kendry haka izany fanjakana vaovao izany.

            Aiza moa izany ny sehatra hiasan’izy ireo ary firenena iza no hanarenany izany fanjakanan’ny raiamandreny ara-drazana izany, ary iza ny vahoaka hanaiky hoentiny. Ohatra ny handeha ho eny am-pasanay aho aloha hanontany an-dry dadabe sy bebe ao hoe; izy ireo isan’ireo razana nanendry ireo olona ireo? Raha tsy izay…aaa kosa e! aza tononina kosa ny razana sy ny vahoaka e!

            Maninona fotsiny raha tsorina fa mba te hihinana sy hitsetsitra vahoaka fa tsy “lerony” no hitavana ny tombontsoa eo… Teo “lisiny” nihinana sy nosanosana tsy nahatsiaro vahoaka sy ny razana ka izao no hiantso vahoaka hanohana ny teti-dratsy kasaina atao.

            “Oadray ho’aho ry lala” fa misy vahaza mitondra izany hono eto? Efa ho lasa adala ve ianareo e? Tsy ampy tori- maso ve sa mitsentsina inona ny masonareo? Dia vazaha avy aiza hono izany ary oviana no tonga teto. Nandeha “sous marin” ve sa nitrebona avy any anatin-tany no tsy re tsaika ny fidirany teto? Olona teraka teto Madagasikara , gasy ray sy reny, manana rà Malagasy no ambara fa vazaha. Mba menatra ary mieritrereta tsara vao miteny fa mahamenatra olona raha milaza ho ray am-dreny izany no miteny teny foana. Ny jiolahim-boto, lazaina fatsitran’olona aza rehefa napetraky ny fianakaviany sy ny vady aman-janany ho ray aman-dreny dia mahay mipetraka amin’izany toerany.

            Any izany! Mijabajabahà ihany anie! Rehefa tsy mahita atao dia ndeha  aloha ireo taranakao (ny zanaka, ny vinato, ny zafikely no karakaina) fa aza miditra amin’ny politika sao lasa adala!

                                                                       niry ramanitra

4 réflexions sur “Any izany… :Sao mba lasa adala

  • 14 septembre 2024 à 7h51
    Permalien

    I have been exploring for a little bit for any high-quality articles or blog posts in this kind of area . Exploring in Yahoo I ultimately stumbled upon this web site. Studying this information So i’m happy to express that I have a very just right uncanny feeling I came upon exactly what I needed. I such a lot no doubt will make sure to do not disregard this web site and give it a look on a relentless basis.

    Répondre
  • 11 février 2024 à 22h31
    Permalien

    Certains fichiers photo privés que vous supprimez sur votre téléphone, même s’ils sont définitivement supprimés, peuvent être récupérés par d’autres.

    Répondre
  • 8 février 2024 à 17h52
    Permalien

    Comment savoir avec qui mon mari ou ma femme discute sur WhatsApp, alors vous cherchez déjà la meilleure solution. L’écoute clandestine sur un téléphone est beaucoup plus facile que vous ne le pensez. La première chose à faire pour installer une application d’espionnage sur votre téléphone est d’obtenir le téléphone cible.

    Répondre

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *