Any izany… : Aiza ihany no aleha e?

           

 Tena sahirana anie izahay ry bebe krisy e, amin’izay alahenay e? Vita mantsy izao ny fametrahana sy ny Filoha Andry Nirina Rajoelina ho filohm-pirenena sy filoham-panjakana eto Madagasikara, hitondra mandritra ny dimy taona. Asa aloha izay hafitsony eo indray, fa betsaka  ny fampanantenana nataony. Efa niarahana nahita koa ny nataony teo aloha teo.

            Fa tsy any ny resaka ry bebe Krisy a, fa vono paika fotsiny ny voalazako etsy ambony io sady tsy izy akory no tiako ho resahina fa ianao sy ny namanao nivadika tamin’ny mpiara-nitolona tamn’ny 2009 sy  ny antoko TGV ary ny IRD nahalany ho depiote anao. Fa dia inona loatra no nahatonga anao nanao ireny fihetsika hafahafa ireny? Ohatrinona ny vola be azonao raha tsy mahadiso? Aaa , vazivazy izany fa ianao koa ve dia ho azon’ny fandriky toy izany e, sady amin’izay Mpiandry mafana fo ao am-piangoanana FLM… Saingy adinonao ny voalazan’ny baiboly, izay vakianao sy tompotomponao ao amin’ny bokin’ny SALAMO faha-15 izay mivaky toy izao: “… tsy manao ratsy ny namany… tsy mivadika amin’ny teny nomeny na dia maningotra ny ainy aza izany, … tsy mandray kolikoly hanao izay hanamelohana ny namany…”. Tsy izaho indray no hahay soratra masina eo fa teny tonga tao an-tsaiko fotsiny ireo.

            Any izany,fa nijabaka indray mandeha tsy maninona. Fa mbola nijabaka indray anie I bebe Krisy e! Fantatry ny olona izao ianao fa nanohitra fifidianana sy izay valiny eo ary sahy nanolotra ilay tondrozotra teny amin’ny birao n’ny Vondrona iraisam-ptrenena izy sy forongony. Ianao izao mihitsy no toa hoe: Filohan’io fanjakana tetezamita kasainareo io.

            Tena tsy hainay intsony izay alahenay, ianao ve no filoham-panjakana sa Andry Nirina Rajoelina? Raha ny hitanay tamin’ny “ bulletin unique” dia tsy tao ny anaranao fa ny laharana fafatelo dia Andry Nirina Rajoelina izay nofidinay. Izao ianao dia nivadi-dela indray fa tsy vita ny làlana tany an-tànana raha tsy Andry Nirina Rajoelina. Iza izany ianao io, inona izany no vitanao? Fa maninona no mamitaka vahoaka. Ho avy tsy ho ela ny fifidianana ben’ny tànana sy depiote ka ohatra ny manalasala ihany no hiara-dia amin’ny olona mpivadibadika toa anao. Aza asiana hoe izany politika fa rehefa mijabaka dia mijabaka. Rehefa mbola ianao no ho kandida atolotry IRD na UPAR na TGV; dia aleo ny vahoaka hitsara.

                                                                                   niry ramanitra

388 réflexions sur “Any izany… : Aiza ihany no aleha e?

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *