Antoko NY FIRENEKO: HIFOTOTRA AMIN’NY FAMORONANA ASA

Antoko NY FIRENEKO: NIJORO ARA-POMBA OFISIALY

Vinan’ny antoko Ny Fireneko – izay natsangan’i Paul RABARY- ny famoronana asa maro ho an’ny Malagasy hialana amin’izao krizy mafy izao.

Manana ny fototra hijoroany ny antoko politika Ny Fireneko:Miara-miasa,Miara-mihary,Miara-mandroso.Manana ny anjara biriky lehibe amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara ny antoko raha ny nambaran’ny mpikambana

  Misy antony ny mahatonga ny antoko mijoro,araka ny nambaran'ny mpitarika.Tsy mari-pototra ny fipetrahan'ny antoko politika eto amintsika.Misedra olana goavana ny firenenaa araka izany.

 Manana vina ny antoko,hitondra fanovana sy fanavaozana ny antoko Ny Fireneko. "Mihazakazaka mankany aoriana ny firenentsika amin'izao fotoana izao",hoy ny filoha mpitarika,RABARY Paul.Mitotongana hatrany ny fari-piainan'i Madagasikara, ny sandam-bola etsy ankilany mitototongana.Mila fiovana goavana araka izany ny firenena.

Ny fototra lehiben’ny antoko,dia ny “asa”,eo ihany koa ny fanampiana ny tanora hisehatra eo amin’ny lafiny fampandrosoana.
Mila miaraka mampandroso an’i Madagasikara ny rehetra, tsy hametraka fitiavan-tena,fa hikatsaka kosa ny hampandroso an’i Madagasikara.
Notanterahina tetsy Antaninarenina moa ny fananganana tamin’ny fomba ofisialy ny antoko politika Ny Fireneko.

Olivia R. / RHA.

10 réflexions sur “Antoko NY FIRENEKO: HIFOTOTRA AMIN’NY FAMORONANA ASA

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *