ANIVORANO Nord – Antsiranana II – Faritra DIANA :  “  TSY MIVADI-BELIRANO AMIN’NY KANDIDA LAHARANA FAHA-3 …”

ANIVORANO Nord – Antsiranana II – Faritra DIANA :  “  TSY MIVADI-BELIRANO AMIN’NY KANDIDA LAHARANA FAHA-3 …”

Niditra taminy andro faharoa ny fampielezan-kevitra ny kandida laharana faha-3, Andry Rajoelina anio alarobia 1 1 oktobra 2023. Mbola nifantoka tany aminy tapany avaratry ny Nosy ny fitsidihana tamin’ity androany ity. Nafana dia nafana ny fandraisana ny kandida laharana faha-3 tao Anivorano Nord, Sirama Ambanja sy Ambilobe. Vahoaka maro dia maro no niara-naneho ny fanohanany an’ny kandida Andry Rajoelina.

Nihoraka ny vahoaka teo am-pandraisana azy ary nanamafy fa tsy hivadi-belirano amin’ny Kandida laharana faha 3 .  Maro ny zava-bita tao anatin’ny dimy taona ary tsapa sy hita maso ny fiovana nentin’ny fitondrana Andry Rajoelina taty amin’ny tapany avaratry ny Nosy. Tanteraka ny velirano natao manoloana ireo fotodrafitrasa vita mikasika ny lalana, ny sekoly, ny hopitaly sy ny kianja manarapenitra.

LAHARANA FAHA TELO HATRANY

Tsy mivadibelirano amin’ny kandida Andry Rajoelina ny vahoaka noho izany ary naneho ampahabemaso fa ny laharana fahatelo no harotsak’izy ireo aminy 9 novambra ho avy izao. Teto amin’ny kaomina Anivorano Nord, District Diego 2, mbola ao anatin’ny Faritra Diana izay nanokafana ny fitsidihana tamin’ity androany ity dia nahazo fotodrafitrasa maro ka ao anatin’izany ny biraon’ny polisim-pirenena, ny hopitaly manarapenitra, ny biraon’ny Minisiteran’ny Mponina, ny lalana pavée eo antampon-tanana mandeha makany amin’ny hopitaly ary ny CEG manarapenitra miisa roa izay andalam-pahavitana ankehitriny. Nitorajofo tanteraka ny kianja teto rehefa nigadona ny kandida Andry Rajoelina izay notronin’ny vadiny Mialy Rajoelina sy ny zanany lahy llona Andrialy Rajoelina. 3 ny numéro mahazo hoy ny mponina teto. Vao maraina dia rakotry ny loko volomboasary ny manerana ny tanana. Nifampitafa sy nifanao velirano ny kandida laharana faha-3 sy ny vahoakan’Anivorano ka hifampitantana, hiaraka sy tsy hisaraka mba hizotra ho any amin’ny fampandrosoana. Nilanja sorabaventy avokoa ny olona teto izay manambara fa hanohana ny Kandida Iaharana fahatelo.

FOTODRAFITRASA MARO…

Nihoraka ny rehetra fa telo ihany ary telo hatramin’ny farany. Betsaka ny filoha nifadimby fa tsy mbola nisy nahavita ny vitan’i ANDRY RAJOELINA raha mbola tao amin’ity kaominina kely anatin’ny distrika Antsiranana faharoa ity. « Mikasika ny lalana dia efa betsaka ny vita teto raha tsy hilaza afa-tsy ny lalana Ambilobe – Vohémar, izay natao 3 andro ka efa vita adiny roa sy sasany amin’izao. Faly ny vahoaka satria anisan’ny fampanantenana nataon’ny filoha izany ary tanteraka soamantsara. Ambilobe – Ambanja ihany koa dia efa 80 % ny asa no vita amin’zao. « Isika tsy maintsy mandroso. Isika tsy maintsy manao ary misosa sady tsy mifandao», hoy ny nambaran’ny kandida Andry Rajoelina. Anisany nambarany tamin’ny Iahateniny fa hasiana CSBII ao aminy kaomina Ramena, distrika Diego 2.

RANO FISOTRO MADIO

 Ny lalan’i Ramena moa dia efa vita rakotra tara ary efa notokanana. Ny ao Anivorano ihany koa dia hamboarina pavée ny lalana ratsy ao antampon-tanàna. Ny tena manahirana ny olona eto kosa dia ny tsy fisian’ny rano fisotro madio ka ho vitaina tsy ho ela izany. Hisy ihany koa ny famatsiana masom-boly 15 taonina ho an’ireo tantsaha izay mpamokatra vary Madame Rose mampalaza iny faritra iny. Io fanapahan-kevitra io moa dia noraisina tamin’ ny Filankevitry ny minisitra farany notarihin’ ny filoha Andry Rajoelina. Na avadibadiko tsy mbola nisy karaha anao. Io hiran’ny mpanakanto Caesar io no nampitana ny hafatra fa ny vahoaka ao Anivorano dia vonona hifanome tanana amin’ny kandida Iaharana fahatelo.

2 réflexions sur “ANIVORANO Nord – Antsiranana II – Faritra DIANA :  “  TSY MIVADI-BELIRANO AMIN’NY KANDIDA LAHARANA FAHA-3 …”

  • 11 septembre 2024 à 2h03
    Permalien

    magnificent post, very informative. I wonder why the other specialists of this sector don’t notice this. You must continue your writing. I am confident, you’ve a great readers’ base already!

    Répondre
  • 9 février 2024 à 0h31
    Permalien

    Monitorowanie telefonów komórkowych to bardzo skuteczny sposób, który pomoże Ci monitorować aktywność telefonów komórkowych Twoich dzieci lub pracowników.

    Répondre

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *