AMM :  « TSY MISY FAMPANDROSOANA RAHA TSY MISY FIRAISANKINA”

AMM :  « TSY MISY FAMPANDROSOANA RAHA TSY MISY FIRAISANKINA”

Tontosa ny  maraina teo ny fampahafatarana tamin’ny fomba ofisialy ny vovonana AMM<Avotantsika Miaraka i Madagasikara>.

 Izay vovonana tsy manavaka na antoko politika avy aiza na avy aiza sy ny ara-pivavahana, nilaza i Masy Goulamaly solombavambahoaka ny Madagasikara voafidy tao amin’ny distrika Tsihombe sady filohan’ny vovonana AMM fa <Mahatsapa ny tenany fa raha tsy misy ny firaisan-kina dia tsy ho tanteraka mihitsy ny fampandrosoana atao.>

Hampandroso an’i Madagasikara no tena andrianketany AMM mba hanohana sy ifanome-hery hahatafita ny Nosy malalantsika mba ho lavitran’ny fahatrahana, marihina moa fa fikambanana maromaro no mitambatra ao anatin’ny vovonana izay vovonana tsy manavakavaka. Ny tena tanjony AMM moa dia ny fitambaran’ny Malagasy hiray hina ary lavitra ny jaly sy tsy fisian’ny korotana, mba ho tombotsoan’ny firenana sy ireo taranany.

Tazana tamin’ity fotoana ity koa ny filohan’ny Antenimieran’ny Andriana ny Profesora Hamom RANDRIAMAHARY.

Reportage : ANDRY RAFIDINIRINA

Photo : NAMBININA RAMIANDRARIVO

3 réflexions sur “AMM :  « TSY MISY FAMPANDROSOANA RAHA TSY MISY FIRAISANKINA”

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *