Alakamisy Fenoarivo – Course Kalesy : ANKIZY LAHIKELY IRAY NAMOY NY AINY

Tsy tana ny ain’ilay tovolahy kely voalaza fa naratra nandritra ny course kalesy teny Alakamisy Fenoarivo, ny alin’ny 25 jona 2024 teo.
Mbola tsy voalaza kosa ny antsipirihan’ny zava-niseho nahatonga ity loza nihatra aman’aina ity.
Tany amin’ny lafin’ny fikarakarana ve no nisy lesoka sa inona ? Inoana fa mbola hitondra fanazavana momba izay ny tompon’andraikitra isanisany avy, satria lalao sy fialam-boly no hatao fa tsy nihevitra izay hampidi-doza ny zanak’olona akory.

Mampiavaka ny Kaomina Alakamisy Fenoarivo ny filalaovana kalesy. Ka tamin’ny alalan’izany no isan’ny nanamarihana ny hetsika amin’ izao fetim-pirenena izao, hoy ny Ben’ny Tanàna ao an-toerana.

Nisy mihitsy ny antso nataony mikasika ny fanaovana io hetsika io sy ny fametahana peta-drindrina.

Teny amin’iny arabe Rn1 iny moa ny alin’ny 25 juin 2024 dia nahitana mpandray anjara marobe amin’ny hetsika course kalesa.

Maro koa anefa ireo fitarainana fa raha tsy maintsy hatao ihany ny lalao tahaka izao dia tokony tapahana aloha ny RN1 mandrapaha vita ny lalao.

” Alina tamin’ny 2ora maraina aho raha handeha hody avy niasa, dia mbola marobe ireo kalesa izay mifaninana manao course, ity kalesa tsara tarehy ity dia nitsotsotsotsi nanirsy taty amiko, izay tsy nanaraka ny lalànan’ny fifamoivoizana,, soa aho fa tsy nandeha mafy ary saika tafiditra tao ambany fiarako Ilay tovolahy sy ny kalesany. Niteraka fifandonana teo amiko sy ny fiara tao aorinako io fijanonako tampoka io, ka lasa nisy fahasimbàna teo aminlny fiaranay roa izany .Niaiky ny fahadisoany Ilay tovolahy Ary noentiko aloha izy sy ilay kalesa hanazava ny fahasimbàna vokatry ny nataony”, hoy ny fijoroana vavolombelona nataona olona iray.

Fehiny: Tsara ilay hetsika fa mila fehezina anaty vala, tahaka ireny manao Run na course fiarakadia ihany. Rehefa ao anaty piste ara-dalana ao Imeritsiatosika dia azo antoka kokoa noho ilay eny an’arabe tsy misy lalàna.

Anne Alice Aimée

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *