Fetin’ny 26 jona 2024 : SAMBANY NO TSY NISY SAKOROKA…

Niavaka ny fanamarihana ny fetin’ny 26 jona , izay andro nankalazana ny faha 64 taona nahazoana ny fahaleovantena ary andro nankalazana ny faha 64 taonan’ny nitsanganan’ny Foloalindahy malagasy ihany koa – izay notontosaina tetsy Mahamasina.

Sambany no tsy nisy maty , noho ny fahaizan’ny mpikarakara ny hetsika rehetra ka mendrika tolorana fankasitrahana izy ireny.

Taloha tokoa mantsy dia misy sakoroka sy misy aina nafoy mihitsy rehefa fetim-pirenena , na aorian’ny fivoahana ny Kianja Mahamasina izany na mandridra ny Podium aorian’ny Matso ny maraina. Tsy mba toy izay kosa anefa ankehitriny fa dia tena nilamina sy nizotra tamim-pilaminana.

AFOMANGA

default
default

Nizotra tamim –pilaminana tanteraka ny hetsika rehetra. Ary nilamina tanteraka. Tamin’ny 7 ora hariva (ny alin’ny 25 jona 2024) no nanomboka ny afomanga teo Anosy. Samy nianoka izany avokoa ny rehetra tonga teo amin’ny Farihin’Anosy sy manerana ny Renivohitra afaka nitazana izany avy alavitra.

Niavaka tsy toy ny mahazatra satria nandritra izany no nisy seho Drone izay nampiseho kisarisary miavaka teny ambony azon’ny maso jerena. Raha fintinina dia nampiseho soratra sy sary maneho ny fitiavan-tanindrazana ny soratra nasehon’ny Drone. Niara-dalana tamin’izay ny afomanga izay nanome endrika kanto ny hetsika. Ny tena nahavariana, dia tsy mahatsiaro andro alina ny vahoaka fa samy niezaka tonga teny an-toerana nijery nivantana izany miaraka amin’ny fianakaviana. Hatramin’ny 1 ora maraina ,mbola feno olona mifamezivezy mamonjy ny toeram-podiana ny lalana.

Kanto dia kanto ary tena niavaka tokoa iny seho nandritra ny alin’ny 25 jona 2024 iny. Fa ny tena nampiavaka iny hetsika iny ihany koa dia ny firindran’ny fandaminana ny mpijery tonga marobe. Tena nanao ny ainy tsy ho zavatra ireo mpikarakara nahazoana an’iny hetsika kanto dia kanto iny. Nampiseho ny maha matihanina.

Ireny no tanteraka moa dia teo ny mpikarakara isan-tokony , na miaramila na sivily , ary mendrika ny hotolorana ny fisaorana mitafotafo izy ireny. Tolorana fankasitrahana ihany koa isika vahoaka malagasy satria nampiseho fahendrena nanaja ny fandaminana rehetra.

MATSO TEO MAHAMASINA

Tsy latsa-danja tamin’izany koa ny Matso natao teo Mahamasina. Tena nilamina tanteraka ary nirindra araka ny tokony ho izy. Tsy mora tokoa mantsy ny mandamina ny vahoaka an’alinkisa , tonga marobe maneho ny fitiavan-tanindrazana hanotrona ny Filoha Andry Rajoelina sy ny Foloalindahy ary hanome hasina ny Fetim-pirenena , toa ireny.

Matoa nilamina araka ny tokony ho izy toa ireny dia nanao ny asany ny mpikarakara , ny mpandamina ka tolorana ny fisaorana izy ireny. Ny Matso lehibe toa ireny , izay nampisehoana ny fahaiza-manaon’ny fianakaviamben’ny Foloalindahy dia harena ho antsika malagasy ary mipetraka ho tombony ho antsika hatrany.  Tetsy ankilany, zava-dehibe ny fitiavan-tanindrazana nasehon’ny vahoaka tamin’ireny satria dia mampiseho fahendrena. Mbola ao ilay fahendrena fa tsy araky ny fanaratsian’ny sasany hoe efa very… !

PODIUM NIAVAKA

Taorian’ny Matso lehibe teo Mahamasina dia nisy koa ny Podium. Nahafinaritra ny firindran’ny Podium, izay nahitana ireo mpanakanto maroloko avy amin’ny faritra rehetra eto Madagasikara nandrita ny alarobia 26 jona 2024 teo Mahamasina. Izy ireo tokoa mantsy no nanafana ny lanonana ho mariky ny firavoravoana noho ny Asaramanitra.

Ny tena nampiavaka ny seho dia ny filaminana. Tsy nahenoana korontana fa dia nizotra araka ny tokony ho izy. Na ireo niditra na ireo nivoaka. Zava-dehibe tokoa izany satria efa trangan-javatra nisy teto amin’ny firenena izany hoe lanonana teo Mahamasina toy ireny izay semban-drahona satria nisy ny tandrevaka nataon’ny mpikarakara ka nitarika faty olona sy korontana ary tsy filaminana maro samihafa. Ankehitriny kosa, dia tsy hay ny tsy hisaotra ireo izay nitoto nahafotsy an’iny hetsika rehetra iny ( Afomanga , Seho Drone , Matso lehibe teo Mahamasina , Podium )  fa dia tena afaka nianoka fety am-pilaminana ny besinimaro ary afaka nandry ivon’ny vato , araka ny fomba fiteny , noho ny fahamatoran’ny rindran-damin’ny mpikarakara. Dia amin’ny herintaona indray ny fotoana manaraka !

Tojo RAMILIANTA

Une réflexion sur “Fetin’ny 26 jona 2024 : SAMBANY NO TSY NISY SAKOROKA…

  • 13 septembre 2024 à 11h25
    Permalien

    Hello there, You’ve performed a fantastic job. I’ll certainly digg it and for my part suggest to my friends. I’m confident they’ll be benefited from this site.

    Répondre

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *