AFK: NAMORONA LOGICIEL HO FAMPANDROSOANA

Nisy ny varavarana nisokatra izay nataon’ny Antso Fiarahamonina Kristianina na AFK androany 08 martsa 2023 izay notarihan’ny ANDRIAMPARANY Ricky filoha mpamorina ny AFK. Izany fihaonana izany dia hijerena ny fomba hanovana ny sehatra rehetra sy ho entina hampandrosoana ny fintatana eo amin’ny lafin’ny rehetra eto Madagasikara.

Misy ny “Logiciel” izay noentin’izy ireo hitondrana fampandrosoana eo amin’ny sehatra maro toy ny rafi-pisehon-javatra eo amin’ny fanabeazana, ara-piasana, ara-panahy, ara-sosialy, ara-toekarena sns….Eo ihany koa ny fanehoana sy hafahana mitantana ireo sehatra rehetra ireo ny fitondrana moderina ka afaka mifanome tanana amin’izany izy ireo hafahana sy hanovana ny fomba fijery amin’ny sehatra maro .

Araka ny namabaran’ny filoha mpamorina anefa dia miandry ny fahavononan’ny olona izy ireo ny amin’ny hampiasaina ity “Logiciel” ity ho fampandrosoana ary efa vonona izy ireo ny amin’ny fanomezantanana.

Mila miova hoy izy ireo ny rafitra izay hita fa tsy mety ka sakana ho entina any amin’ny fampandrosoana. Efa misy moa ny asa izay ho vinavinaina toy ny fanaovana atrik’asa isam-panjakana .

Olivia R.

ant

188 réflexions sur “AFK: NAMORONA LOGICIEL HO FAMPANDROSOANA

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *